Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Daniela 2:39 - DIEM PROTESTANTA

Hisy fanjakana malemy kokoa noho ny anao, hitsangana aorianao; avy eo dia hisy fanjakana fahatelo izay ambaran’ny halimo ka hitatra amin’ny tany manontolo.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Manarakaraka anao dia hisy fanjakana hafa hitsangana, ambany noho ny anao, ary hisy fanjakana fahatelo koa izay varahina sady hanam-pahefana amin’ny tany rehetra.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Hisy fanjakana malemy kokoa noho ny anao, hitsangana aorianao; avy eo dia hisy fanjakana fahatelo izay ambaran’ny halimo ka hitatra amin’ny tany manontolo.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary manarakaraka anao dia hisy fanjakana hafa hitsangana ambany noho ny anao, ary hisy fanjakana fahatelo koa izay varahina sady hanam-pahefana amin’ny tany rehetra.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary manarakaraka anao dia hisy fanjakana hafa hitsangana ambany noho ny anao, ary hisy fanjakana fahatelo koa izay varahina sady hanam-pahefana amin'ny tany rehetra.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Manarakaraka anao dia hisy fanjakana hafa hitsangana, ambany noho ny anao, ary hisy fanjakana fahatelo koa izay varahina sady hanam-pahefana amin’ny tany rehetra.

Jereo ny toko



Daniela 2:39
14 Rohy Ifampitohizana  

Hoy Aho ny amin’i Kirôsa: ‹Izy no mpiandry ondriko. Hotanterahiny izay sitrako rehetra, ka dia hanome baiko izy mba haorina indray i Jerosalema ary hamboarina indray ny tempoly.› »


Dia hoy indray izy hoe: ‹Moa fantatrao ve ny antony nahatongavako atỳ aminao? Ny hanambara aminao izay voasoratra ao amin’ny bokin’ny fahamarinana. Fa ankehitriny hiverina hiady amin’ny anjely mpiaro an’i Persia aho; ary iny aho hanainga iny, dia indro avy ny anjely mpiaro an’i Gresy. Nefa tsy misy manampy ahy hanohitra azy anankiroa afa-tsy i Mikaela anjely mpiaro anareo.


Volamena madio ny lohan’io sarivongana io, volafotsy kosa ny tratrany sy ny tanany, halimo ny kibony sy ny feny,


Napetrany eo ambany fifehezanao koa ny olombelona sy ny biby eny an-tsaha ary ny voro-manidina; eo ambany fifehezanao ireny, na aiza na aiza itoerany, ka ianao no nataon’Andriamanitra ho mpanjakan’izy rehetra; ianao izany no ilay loha volamena.


Ary ny fanjakana fahefatra dia ho mafy tahaka ny vy. Tahaka ny anorotoroan’ny vy sy anapotehany ary anamontsanany ny zavatra rehetra no hanorotoroan’io fanjakana io sy hanamontsanany ireo fanjakana rehetra talohany.


Izao no nambarany: «Ny biby fahefatra dia fanjakana fahefatra eto an-tany izay hafa noho ireo fanjakana rehetra, fa hihinana ny tany tontolo izy ka hanosihosy sady hanorotoro azy.


Ny ondrilahy izay hitanao nanana tandroka roa dia manondro ny fanjakana medianina sy persianina.


Ny osilahy lava volo dia manondro ny fanjakana grika; ary ilay tandroka lehibe teo anelanelan’ny masony dia ny mpanjaka voalohany.


soavaly fotsy no tamin’ny fahatelo; ary soavaly sadamena no tamin’ny kalesy fahefatra.


Niroso nankamin’ny faritany avaratra ny kalesy tarihin’ireo soavaly mainty; niroso nankamin’ny faritany andrefana ireo soavaly fotsy ary niroso nankamin’ny faritany atsimo ireo soavaly sada.