Dia nandao an’i Elisà i Hazaela ka niverina tany amin’ny tompony izay nanontany azy hoe: –Ahoana hoy i Elisà taminao? Hoy kosa ny navalin’i Hazaela: –Nilaza tamiko izy fa ho sitrana tokoa ianao.
Daniela 11:26 - DIEM PROTESTANTA Fa izay olona akaiky azy ihany no hanapotika azy; ka ho resim-pahavalo ny tafiny, ary ho marobe ny faty hiampatrampatra. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Eny, izay homana ny hanina avy aminy ihany no hahalavo azy, ary ny miaramilany dia hanenika sy hanafotra ny tany ka maro ny faty hiampatrampatra. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Fa izay olona akaiky azy ihany no hanapotika azy; ka ho resim-pahavalo ny tafiny, ary ho marobe ny faty hiampatrampatra. Baiboly Protestanta Malagasy Eny, izay homana ny hanina avy aminy ihany no hahalavo azy, ary ny miaramilany hanerana toy ny safotra, sady maro ny faty hiampatrampatra. Malagasy Bible Eny, izay homana ny hanina avy aminy ihany no hahalavo azy, ary ny miaramilany hanerana toy ny safotra, sady maro ny faty hiampatrampatra. La Bible en Malgache Eny, izay homana ny hanina avy aminy ihany no hahalavo azy, ary ny miaramilany dia hanenika sy hanafotra ny tany ka maro ny faty hiampatrampatra. |
Dia nandao an’i Elisà i Hazaela ka niverina tany amin’ny tompony izay nanontany azy hoe: –Ahoana hoy i Elisà taminao? Hoy kosa ny navalin’i Hazaela: –Nilaza tamiko izy fa ho sitrana tokoa ianao.
«Fa hioman-kanafika kosa ireo zanaky ny mpanjaka ao avaratra ka hanangona miaramila marobe. Dia hiroso ny iray amin’ireo ka hihoatra sisintany ombàn-tafika sy hipariaka toy ny ranovaky; saingy nony hiverina izy, dia hananika tanànamimanda iray.
Ary ny tafika tonga hamely ny taniny dia tsy hahatohitra azy fa hopotehiny; hovonoiny ho faty mbamin’ny filohan’ilay vahoakan’ny fanekempihavanana aza.
«Ary amin’ny fotoana farany dia hanoto azy indray ny mpanjaka ao atsimo, nefa ny mpanjaka ao avaratra dia hipaoka azy toy tafio-drivotra miaraka amin-kalesy sy mpitaingi-tsoavaly ary sambo marobe; ary hiditra amin’ny tany isan-karazany izy ka hihoatra sisintany ombàn-tafika sy hipariaka toy ny ranovaky.
Fa hoy i Jesoa: –Ilay niara-nanatsoboka mofo tamiko tao anaty lovia, izy no hanolotra Ahy.
Fa hoy i Jesoa taminy: –Ny anankiray aminareo 12 lahy, ilay miara-manatsoboka mofo amiko ao anaty lovia, no izy!
Tsy ho anareo rehetra no itenenako, satria fantatro izay nofidiko; kanefa aoka ho tanteraka ny tenin’ny Soratra Masina hoe: «Ilay miara-mihina-mofo amiko no nanainga ny ombalahin-tongony hamely Ahy.»