Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




2Timoty 1:16 - DIEM PROTESTANTA

Ny Tompo anie hamindra fo amin’ny ankohonan’i Ônesifôro fa namelombelona ny fanahiko matetika izy sady tsy nahamenatra azy ny figadràko!

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Homen’ny Tompo famindrampo anie ny ankohonan’i Onesiforosy satria namelombelona ny fanahiko matetika sady tsy nahamenatra azy ny gadrako;

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Ny Tompo anie hamindra fo amin’ny ankohonan’i Ônesifôro fa namelombelona ny fanahiko matetika izy sady tsy nahamenatra azy ny figadràko!

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Fa homen’ny Tompo famindram-po kosa anie, ry i Onesifôro mianakavy, satria mazàna no namelom-bolo ahy izy, sady tsy menatra ny gadrako,

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Homen’ny Tompo famindrampo anie ny ankohonan’i Onesiforosy; satria namelombelona ny fanahiko matetika izy, fa tsy menatra ny gadrako;

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Homen'ny Tompo famindram-po anie ny ankohonan'i Onesiforosy; satria namelombelona ny fanahiko matetika izy, fa tsy menatra ny gadrako;

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Homen’ny Tompo famindrampo anie ny ankohonan’i Onesiforosy satria namelombelona ny fanahiko matetika sady tsy nahamenatra azy ny gadrako;

Jereo ny toko



2Timoty 1:16
27 Rohy Ifampitohizana  

Ka ny TOMPO anie haneho fitiavana sy toetra mahatoky aminareo; ary izaho koa dia hamaly soa anareo noho ny nanaovanareo izany zavatra izany.


«Tsarovy aho noho izany, ry Andriamanitra ô! Ka aza kosehina ny soa vitako momba ny tranonao sy momba ny fanompoam-pivavahana.»


Ary nasaiko nidio tena ny levita ka ho avy hiambina eo am-bavahady, mba hanokanana ny andro sabata ho an’Andriamanitra. «Tsarovy aho noho izany koa, ry Andriamanitro ô; ary iantrao aho fa be indrafo ianao!»


Naveriko tamin’ny laoniny ihany koa ny fanaterana kitay araka ny fotoanandro voatondro sy ny fanaterana voaloham-bokatra. «Tsarovy aho ka hasoavy, ry Andriamanitro ô!»


«Mba tsarovy hanasoavana ahy, ry Andriamanitra ô, izay rehetra nataoko ho an’ity firenena ity!»


Eny, soa tokoa no navalin’ny TOMPO ahy satria marina aho sy hitany madio toetra.


Miantra isan’andro izy ka mampisambotra, ary andraisan’ny zanany fitahiana izany.


Nefa amin’ny andro izay hahatongavan’izany loza izany, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO, dia hafahako ianao, ka tsy hatolotro eo an-tanan’ireo olona atahoranao.


Toy izany koa no nataon’ilay nandray ny denàry 12 000 ka nahazo tombony denàry 12 000.


Sambatra izay mamindra fo, fa izy no hamindran’Andriamanitra fo!


Dia nanatona an’i Paoly ny komandy ka nampisambotra azy ary nanome baiko hamatorana azy amin’ny gadra vy anankiroa, sady nanontany hoe: –Iza moa io? Ary inona no nataony?


Izany àry no nangatahako hahita anareo sy hiresaka aminareo, satria mifatotra amin’ity gadra ity aho noho ny amin’Ilay antenain’ny vahoaka Israely.


Sady namelombelona ahy izy telo lahy no namelombelona anareo. Koa mahaiza mankasitraka ny olona tahaka ireny.


Iraka mitondra izany Vaovao Mahafaly izany aho, na dia migadra aza ankehitriny; koa mivavaha ho ahy mba hilazako izany amim-pahasahiana, araka ny tokony hoteneniko.


ary izany koa no antony iaretako izao fijaliana izao. Kanefa tsy mahakivy ahy izany, satria fantatro Ilay nametrahako ny fitokiako ary azoko antoka fa Izy dia mahatahiry ilay raki-tsoa nankininy tamiko mandra-piavin’ny andro fitsarana.


Fa nony tonga teto Rôma i Ônesifôro, dia nazoto nitady ahy; ka tsy navelany aho, raha tsy hitany.


Mba hataon’ny Tompo hahita ny famindrampony anie izy amin’ny andro fitsarana! Fantatrao tsara dia tsara koa ny fikarakarana rehetra nataony tamiko tao Efeso.


Koa aza menatra ny ho vavolombelon’ny Tompontsika; aza menatra ny amiko ihany koa, dia izaho voafonja noho ny aminy. Fa aoka hiaretanao fijaliana miaraka amiko ny Vaovao Mahafaly, araka ny hery omen’Andriamanitra anao.


Veloma any amin’i Prisila sy i Akoilà, ary any amin’ny ankohonan’i Ônesifôro.


Eny, ry rahalahy, efa mpanara-dia ny Tompo ianao ka enga anie ho azoko aminao izay angatahiko; velombelomy ny foko noho ianao rahalahiko ao amin’i Kristy.


Ry rahalahy, nampifaly ahy fatratra sady nampahery ahy ny fitiavanao satria efa novelombelominao ny fon’ny vahoakan’Andriamanitra.


niarahanareo niaritra ny fijalian’izay voafonja; ary nony norobaina ny fanananareo, dia nekenareo tamin-kafaliana izany satria fantatrareo fa manam-pananana tsara lavitra sady maharitra ianareo.


Fa tsy manao ny tsy rariny Andriamanitra: tsy hohadinoiny akory ny asanareo sy ny fitiavanareo Azy nasehonareo tamin’ny nanompoanareo sady mbola anompoanareo ny kristianina havanareo.


dia hoy i Nahômỳ tamin’ireto vinantovaviny: –Mandehana mody any an-tranon-dray aman-dreninareo avy ianareo; hanasoa anareo anie ny TOMPO, araka izay efa nataonareo tamin’ireo maty sy tamiko koa.