Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Filemona 1:7 - DIEM PROTESTANTA

7 Ry rahalahy, nampifaly ahy fatratra sady nampahery ahy ny fitiavanao satria efa novelombelominao ny fon’ny vahoakan’Andriamanitra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

7 Fa nanana fifaliana sy fiononana amin’ny fitiavanao aho, ry rahalahy, satria efa novelombelominao ny fon’ny olona masina.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

7 Ry rahalahy, nampifaly ahy fatratra sady nampahery ahy ny fitiavanao satria efa novelombelominao ny fon’ny vahoakan’Andriamanitra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

7 Fa mameno hafaliana amam-panalana alahelo ahy ny fitiavanao, noho ianao efa namelombelona ny fon’ny olona masina, ry rahavana.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

7 Fa nanana fifaliana sy fiononana amin’ny fitiavanao aho, satria efa novelombelominao ny fon’ny olona masina, ry rahalahy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

7 Fa nanana fifaliana sy fiononana amin'ny fitiavanao aho, satria efa novelombelominao ny fon'ny olona masina, ry rahalahy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

7 Fa nanana fifaliana sy fiononana amin’ny fitiavanao aho, ry rahalahy, satria efa novelombelominao ny fon’ny olona masina.

Jereo ny toko dika mitovy




Filemona 1:7
11 Rohy Ifampitohizana  

Sady namelombelona ahy izy telo lahy no namelombelona anareo. Koa mahaiza mankasitraka ny olona tahaka ireny.


Nampahery anay izany fihetsikareo izany. Ankoatra ny fampaherezana azonay, dia vao mainka safononoka ny hafalianay tamin’ny nahitanay fa faly aoka izany i Tito satria namelombelona aina azy ianareo rehetra.


Lehibe ny fahatokiako anareo, tena reharehako tokoa ianareo; ka feno fampaherezana aho sady tsy omby tratra ny hafaliako amin’ny fahoriana rehetra manjo anay.


Tsaroanay tsy tapaka eo anatrehan’ilay Andriamanitsika sady Raintsika ny asa ateraky ny finoanareo, ny fikelezana aina asesiky ny fitiavanareo, ary ny faharetana vokatry ny fanantenanareo an’i Jesoa Kristy Tompontsika.


Izao koa no mahatonga anay ho velom-pisaorana tsy tapaka an’Andriamanitra: rehefa nandray ny tenin’Andriamanitra notorînay ianareo, dia tsy noraisinareo ho tenin’olombelona izany, fa noraisinareo ho tenin’Andriamanitra, araka ny tena izy, ary dia miasa ao aminareo izay mino.


Satria tsy iza fa ianareo ihany no fanantenanay sy hafalianay ary satroboninahi-pandresena hireharehanay eo anatrehan’i Jesoa Tompontsika, amin’ny andro hiaviany.


Inona re no saotra azonay avaly an’Andriamanitra noho ny aminareo, noho ny hafaliana be dia be omenareo anay sy tsapanay eo anatrehan’Andriamanitsika?


Ny Tompo anie hamindra fo amin’ny ankohonan’i Ônesifôro fa namelombelona ny fanahiko matetika izy sady tsy nahamenatra azy ny figadràko!


Eny, ry rahalahy, efa mpanara-dia ny Tompo ianao ka enga anie ho azoko aminao izay angatahiko; velombelomy ny foko noho ianao rahalahiko ao amin’i Kristy.


Faly tokoa aho tamin’ny nahitako ny zanakao sasany miaina ny hafatra marim-pototra, araka ny didy noraisintsika tamin’ny Ray.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra