ny sakafo teo amin’ny latabany ary ny toeram-ponenan’ireo tandapany, ny fitafian’ny mpandroso sakafo sy mpitondra divay ary koa ny sorona dorana manontolo natolony tao an-tranon’ny TOMPO, dia talanjona aoka izany izy
2Tantara 9:4 - DIEM PROTESTANTA ny sakafo fihinana teo amin’ny latabany sy ny toeram-ponenan’ny tandapany ary koa ny fahamendrehana amam-pitafian’ireo mpandroso sakafo sy mpitondra divay, ny ambaratongan-tohatra izay niakaran’i Salômôna ho ao an-tranon’ny TOMPO, dia talanjona aoka izany izy Baiboly Protestanta Malagasy 2011 ny sakafo teo amin’ny latabany, ny fonenan’ny tandapany, ny fahaizan’ny mpanompony mbamin’ny fitafian’ireo sy ny mpitondra kapoakany mbamin’ny fitafian’ireo, ary ny ambaratonga izay niakarany ho ao amin’ny tranon’NY TOMPO, dia talanjona terỳ izy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara ny sakafo fihinana teo amin’ny latabany sy ny toeram-ponenan’ny tandapany ary koa ny fahamendrehana amam-pitafian’ireo mpandroso sakafo sy mpitondra divay, ny ambaratongan-tohatra izay niakaran’i Salômôna ho ao an-tranon’ny TOMPO, dia talanjona aoka izany izy Baiboly Katolika ny sakafo teo ambony latabany, ny efitranon’ny mpanompony; ny efitrano amam-pitafian’ny mpiasa an-tranony, ny mpandroso divay ao aminy amam-pitafian’ireo, ary ny ambaratonga fiakarany ho ao an-tranon’i Iaveh, dia talanjona foana teo izy, Baiboly Protestanta Malagasy sy ny hanim-pihinany teo amin’ny latabany, sy ny fipetrahan’ny tandapany sy ny fitoeran’ny mpanompony mbamin’ny fitafian’ireo sy ny mpitondra kapoakany sy ny fitafian’ireo, ary ny ambaratonga izay niakarany ho ao an-tranon’i Jehovah, dia talanjona terỳ izy. Malagasy Bible sy ny hanim-pihinany teo amin'ny latabany, sy ny fipetrahan'ny tandapany sy ny fitoeran'ny mpanompony mbamin'ny fitafian'ireo sy ny mpitondra kapoakany sy ny fitafian'ireo, ary ny ambaratonga izay niakarany ho ao an-tranon'i Jehovah, dia talanjona terỳ izy. La Bible en Malgache ny sakafo teo amin’ny latabany, ny fonenan’ny tandapany, ny fahaizan’ny mpanompony mbamin’ny fitafian’ireo sy ny mpitondra kapoakany mbamin’ny fitafian’ireo, ary ny ambaratonga izay niakarany ho ao amin’ny tranon’NY TOMPO, dia talanjona terỳ izy. |
ny sakafo teo amin’ny latabany ary ny toeram-ponenan’ireo tandapany, ny fitafian’ny mpandroso sakafo sy mpitondra divay ary koa ny sorona dorana manontolo natolony tao an-tranon’ny TOMPO, dia talanjona aoka izany izy
Ny fihinan’i Salômôna sy ireo olona tao an-dapa isan’andro dia toy izao: lafarinina tsotra sivy taonina, lafarinina tsara toto 18 taonina,
omby mifahy folo, omby an-tondraka roapolo ary ondry zato, afa-tsy ny biby hafa toy ny diera sy ny gazela ary ny osy mbamin’ny gisa matavy.
Mba hahafaly ny mpanjakan’i Asiria, dia nofoanan’i Ahaza ny «alo-baravaran-tsabata», izay naorina tao an-tranon’ny TOMPO, sy ny «Fidiran’ny Mpanjaka» izay tany ivelany.
Ireo no mpiandry vavahady tamin’ny tobin’ny levîta; ary ny taranany, mandraka izao, no eo amin’ny vavahadin’ny mpanjaka, dia ny vavahady atsinanana.
Ary indro hitany ny mpanjaka vaovao nitsangana tambonin’ny lampihazo teo amin’ny fidirana, ka ny mpihira sy ny mpitsoka trompetra no teo anilany; nifaly ny vahoaka rehetra, nampaneno trompetra ny mpitsoka mozika, ary nandredona hira fiderana ireo mpihira omban’ny zava-maneno isan-karazany. Fa i Hatalià kosa nandriatra ny fitafiany sady niantsoantso hoe: «Fikomiana! Fikomiana!»
Ary rehefa samy hitan’ny mpanjakavavin’i Sebà ny fahendren’i Salômôna sy ny trano izay naoriny,
ka nilaza tamin’ny mpanjaka hoe: –Marina avokoa izay resaka reko tany amin’ny taniko momba ny teninao sy ny fahendrenao. Nefa tsy nino ny filàzan’olona aho, raha tsy tonga atỳ, ka ny masoko no mahita. Hay na dia ny antsasaky ny fahendrena anananao aza tsy voambara tamiko akory; indro mihoatra noho ny laza efa reko ianao.
Koa mitalaho aminao aho, Tompo ô; aoka Ianao hihaino ny vavaka ataoko sy ataon’ireo mpanomponao rehetra izay faly manaja Anao. Hambininao anie aho ka hataonao mahazo famindrampo eo imason’ny amperôra! Mpandroso divay ho an’ny amperôra aho tamin’izay.
Valio faingana aho, TOMPO ô, fa efa ambivitra ny aiko. Aza manafin-tava amiko Ianao, ndrao ho tahaka izay midina any am-pasana aho.
«Ry tovovavin’i Jerosalema ô, miangavy mafy anareo aho hoe: Raha mba tojo ny malalako ianareo, dia inona no holazainareo aminy? –Ilazao izy fa mararim-pitia aho!»
Nefa ny printsy filoha amin’ny maha-filoha azy dia mahazo mihinana ny sakafo masina eo anatrehako. Koa tsy maintsy hiditra sy hivoaka ity vavahady ity izy ary hamakivaky ny lalantsarany.»
Hiditra avy any an-kianja ivelany manko ny printsy filoha ka hamakivaky ny lalantsaran’ny vavahady. Dia hijoro eo an-tokonam-bavahady izy mandritra ny anoloran’ny mpisorona ny sorona dorana manontolo sy ny sorom-pihavanana nateriny. Dia hiankohoka eo an-tokonam-bavahady eo ny printsy vao handeha, ary tsy hohidina ny varavarana raha tsy efa hariva.
Ahoana moa no hahafahako hiteny aminao, tompoko, kanefa izaho ankehitriny tsy manan-kery intsony sady tsy avy miaina?›
tsy misasatra na mamoly izy ireny, kanefa lazaiko aminareo fa na i Salômôna, teo amin’ny voninahiny rehetra aza, dia tsy tsara fitafiana tahaka ny anankiray amin’izy ireny.
Sambatra ireo mpanompo hitan’ny tompony miari-tory raha tonga izy. Lazaiko marina aminareo fa hisikina lamba ny tompony ka hampipetraka azy hihinana ary handroso sakafo ho azy.
Vao nahita ny Zanak’olona aho, dia lavo niankohoka toy ny maty teo anoloan’ny tongony. Fa nametraka teo amboniko ny tanany ankavanana Izy ka nanao hoe: –Aoka izay ny tahotra! Izaho no Voalohany sy Farany,
Indro mijoro eo am-baravarana Aho, sady mandondòna; ka raha misy olona mihaino ny feoko sy mamoha ny varavarana, dia hiditra ao an-tranony Aho ka hiara-misakafo aminy, ary izy hiara-misakafo amiko.