Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




2Tantara 4:9 - DIEM PROTESTANTA

Ary nataony ny kianjan’ny mpisorona sy ilay kianja hafa lehibe kokoa miaraka amin’ny lelavavahady izay nopetahana takelaka halimo.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Nanamboatra ny kianjan’ny mpisorona sy ny kianja lehibe sy ny lelam-bavahadin’ny kianja izy ary nopetahany takelaka varahina ny lelam-bavahady.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Ary nataony ny kianjan’ny mpisorona sy ilay kianja hafa lehibe kokoa miaraka amin’ny lelavavahady izay nopetahana takelaka halimo.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Nanao ny kianjan’ny mpisorona sy ny kianja lehibe mbamin’ny vavahady izy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary nanao ny kianjan’ny mpisorona sy ny kianja lehibe sy ny lela-vavahadin’ny kianja izy, ary nopetahany takela-barahina ny lela-vavahady.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary nanao ny kianjan'ny mpisorona sy ny kianja lehibe sy ny lela-vavahadin'ny kianja izy, ary nopotehany takela-barahina ny lela-vavahady.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Nanamboatra ny kianjan’ny mpisorona sy ny kianja lehibe sy ny lelam-bavahadin’ny kianja izy ary nopetahany takelaka varahina ny lelam-bavahady.

Jereo ny toko



2Tantara 4:9
6 Rohy Ifampitohizana  

Ary nohodidinina rindrim-bato voapaika telo andalana mifanongoa sy rairainy sedera iray andalana ny kianja anatiny.


Ary manodidina ny kianja lehibe dia nisy tamboho natao vato voapaika telo andalana mifanongoa sy rairainy sedera iray andalana, tahaka ny tamin’ny kianja anatin’ny tranon’ny TOMPO sy tamin’ny lalantsara fidirana mankao.


Tao anatin’ny kianja roa amin’ny tranon’ny TOMPO tokoa no nanorenany alitara hafa ho fanajana ireo planeta aman-kintana eny ana habakabaka.


Tao anatin’ny kianja roa amin’ny tranon’ny TOMPO tokoa no nanorenany alitara hafa ho fanajana ireo planeta aman-kintana eny ana habakabaka;


«Ny fonena-masina dia hohodidinina kianja izay fefen’ny temitra vita amin’ny kiran-drongony mafy. Amin’ny lafiny atsimo, dia hivelatra eo amin’ny dimampolo metatra ny halavan’ny temitra;


Rehefa vitan-dralehilahy ny fandrefesana ny trano anatiny ao amin’ny tempoly, dia nentiny nivoaka ny vavahady atsinanana aho. Dia nandrefy ny manodidina ny tempoly izy.