Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Eksodosy 27:9 - DIEM PROTESTANTA

9 «Ny fonena-masina dia hohodidinina kianja izay fefen’ny temitra vita amin’ny kiran-drongony mafy. Amin’ny lafiny atsimo, dia hivelatra eo amin’ny dimampolo metatra ny halavan’ny temitra;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

9 Ataovy koa ny kianjan’ny tabernakely: Eo amin’ny lafiny atsimo dia hisy fefy lamba rongony fotsy madinika voatenona ho amin’ny kianja. Zato hakiho ny halavany amin’ny lafiny iray;

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

9 «Ny fonena-masina dia hohodidinina kianja izay fefen’ny temitra vita amin’ny kiran-drongony mafy. Amin’ny lafiny atsimo, dia hivelatra eo amin’ny dimampolo metatra ny halavan’ny temitra;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

9 «Manaova ny kianjan’ny Fonenana. Ny lafiny atsimo, ao ankavanana, ny kianja dia hasianao fefy lamba rongony madinika voahasina hatao zato hakiho ny halavan’ny lafiny.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

9 Ary manaova ny kianjan’ny tabernakely: amin’ny lafiny atsimo hisy fefy lamba rongony fotsy madinika voahasina ho amin’ny kianja, zato hakiho ny halavany amin’ny lafiny iray;

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

9 Ary manaova ny kianjan'ny tabernakely: amin'ny lafiny atsimo hisy fefy lamba rongony fotsy madinika voahasina ho amin'ny kianja, zato hakiho ny halavany amin'ny lafiny iray;

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

9 Ataovy koa ny kianjan’ny tabernakely*: Eo amin’ny lafiny atsimo dia hisy fefy lamba rongony fotsy madinika voatenona ho amin’ny kianja. Zato hakiho* ny halavany amin’ny lafiny iray;

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 27:9
29 Rohy Ifampitohizana  

Ary nohodidinina rindrim-bato voapaika telo andalana mifanongoa sy rairainy sedera iray andalana ny kianja anatiny.


Io andro io ihany no nanokanan’ny mpanjaka ny afovoan’ny kianja manoloana ny tranon’ny TOMPO, satria teo no nanaterany ny sorona dorana manontolo sy ny fanatitra vokatry ny tany ary ny saboran’ny sorom-pihavanana. Kely loatra manko ny alitara halimo teo anoloan’ny Toeramasina ka tsy omby ny zavatra rehetra natolotra.


Tao anatin’ny kianja roa amin’ny tranon’ny TOMPO tokoa no nanorenany alitara hafa ho fanajana ireo planeta aman-kintana eny ana habakabaka;


Ary nataony ny kianjan’ny mpisorona sy ilay kianja hafa lehibe kokoa miaraka amin’ny lelavavahady izay nopetahana takelaka halimo.


Ny vavahadin’ny tempoliny, idiro amin-tsaotra; ireo kianja ao anatiny, idiro amin-dera; isaory Izy, ary ankalazao ny anarany.


dia eo an-kianjan’ny tranon’ny TOMPO, eo afovoanao, ry Jerosalema. Haleloià!


Andriamanitra ô, mba jereo ny mpanjaka izay toy ny ampinga miaro anay; tsinjovy ilay olona voahosotrao.


Fa ny olo-marina kosa hamololona toy ny rofia, hisandrahaka toy ny sederan’i Libano:


farango sy anjaka volafotsy no hanantonana azy eo amin’ny andry halimo roapolo, izay mitsatoka amin’ny faladia halimo roapolo.


ny temitry ny kianja miaraka amin’ny andry sy ny faladiany, ny varavarana lamba eo am-bavahadin’ny kianja;


Nopetahany tadivavarana dimampolo ny sisin-damba farany amin’ny vitrana voalohany, ary nataony toy izany koa ny sisin-damba voalohany amin’ny vitrana faharoa.


–ny temitry ny kianja miaraka amin’ny andriny sy ny faladiany, ny varavarana lamba eo amin’ny vavahadin’ny kianja, miaraka amin’ny tadiny sy ny tsîmatra; –ny fitaovana rehetra fampiasa amin’ny raharaha ao amin’ny fonena-masina na hoe Tranolay fihaonana;


Nasain’i Mosesy natsangana ny temitry ny kianja manodidina ny fonena-masina sy ny alitara, ary nahantona ny varavarana lamba teo am-pidirana ny kianja. Dia vitan’i Mosesy avokoa ny asa rehetra.


Hatsangana ireo temitry ny kianja manodidina ny Toeramasina, ary hapetraka ny varavarana lamba eo amin’ny fidirana.


Norefesiny koa ny sakan’ny lalantsara ka nisy folo metatra. Ny kianjan’ny tempoly no nanodidina io lalantsara io.


Dia nentin-dralehilahy tao anatin’ny kianja ivelan’ny tempoly aho. Io kianja io dia voarakotra lampivato ary voahodidina efitrano telopolo.


ka norefesiny koa ny lava aman-tsakan’ny vavahady avaratra mankany amin’ny kianja ivelany.


Tandrifin’ny vavahady avaratra dia nisy fidirana mankao an-kianja anatiny toy ny tao atsinanana. Norefesin-dralehilahy ny elanelan’ireo vavahady roa ireo ka nisy dimampolo metatra.


Dia nentin-dralehilahy niditra tamin’ny vavahady atsimo aho mba hankao an-kianja anatiny. Norefesiny io vavahady io ka nitovy refy tamin’ireo vavahady hafa.


Nasain-dralehilahy niditra tamin’ny vavahady atsinanana aho mba hankao an-kianja anatiny. Norefesiny io vavahady io ka nitovy refy tamin’ireo vavahady hafa.


Dia nentin-dralehilahy tao amin’ny kianja anatiny aho. Nisy efitra roa tao: ny iray terỳ anilan’ny varavarana avaratra ary mitodika mianatsimo, ary ny iray kosa terỳ anilan’ny varavarana atsimo ary mitodika mianavaratra.


ny lafiny anankiray dia nanatrika ny toera-malalaka izay misy velarana folo metatra teo amin’ny kianja anatiny; ny lafiny tao am-badika kosa dia nanatrika ny lampivato teo amin’ny kianja ivelany. Nisy lalantsara mirihana telo tao anatin’io orin-trano io.


ny fefilamban’ny kianja sy ny vavahady lamba amin’ny kianja izay manodidina ny Fonena-masina sy ny alitara, ary ny tadin’ny lay. Nisahana ny fikarakarana rehetra momba ireny ny Gersônita.


ny fefilamban’ny kianja sy ny lambam-baravaran’ny vavahadin’ny kianja izay manodidina ny Fonena-masina sy ny alitara, ny tady mamaritra ny kianja ary ny kojakoja rehetra ho an’ny fanompoany, dia izay rehetra nomena azy hiasany.


ny andrin’ny fefin’ny kianja mbamin’ny faladiany, ny tsatòka sy ny tady ary ny kojakoja rehetra ho an’ny fanompoany. Atao lisitra ny anaran’ireo zavatra izay hoentin’ny tsirairay avy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra