Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




2Tantara 4:5 - DIEM PROTESTANTA

Ny hateviny dia valo santimetatra; ary ny molony dia natao tahaka ny molo-tsangambava ka miendrika felana lisy. Niaty 135 000 litatra eo ho eo izany fitobian-drano goavana izany.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ny hateviny dia vodivoampelatanana iray, ary nataony tahaka ny molotry ny kapoaka ny molony, dia tahaka ny vonin’ny lisy; mahalany telo arivo bata izy io.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Ny hateviny dia valo santimetatra; ary ny molony dia natao tahaka ny molo-tsangambava ka miendrika felana lisy. Niaty 135 000 litatra eo ho eo izany fitobian-drano goavana izany.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Vody voampelatanana ny hateviny, tahaka ny an’ny kôpy ny molony, toy ny vonin-disy, ary rano 3.000 bata no laniny.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary ny hateviny dia vodivoam-pelatànana, ary ny molony nataony tahaka ny molotry ny kapoaka, dia tahaka ny vonin’ny lilia; ary mahalany telo arivo bata izy.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary ny hateviny dia vodivoam-pelatanana, ary ny molony nataony tahaka ny molotry ny kapoaka, dia tahaka ny vonin'ny lilia; ary mahalany telo arivo bata izy.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ny hateviny dia vodivoampelatanana iray, ary nataony tahaka ny molotry ny kapoaka ny molony, dia tahaka ny vonin’ny lisy; mahalany telo arivo bata* izy io.

Jereo ny toko



2Tantara 4:5
4 Rohy Ifampitohizana  

Tambony sarin’ombilahy halimo 12 no nametrahana ilay fitobian-drano; ka ny telo nitodika nianavaratra, ny telo nitodika niankandrefana, ny telo nitodika nianatsimo ary ny telo nitodika niantsinanana. Eny, ilay fitobian-drano goavana dia teo ambonin’ireo sarin’ombilahy izay nifampiamboho ireo.


Ny hateviny dia valo santimetatra, ary ny molony dia natao tahaka ny molo-tsangambava ka miendrika felana lisy. Niaty 90 000 litatra eo ho eo izany fitobian-drano goavana izany.


Tambony sarin’ombilahy halimo 12 no nipetrahan’ilay fitobian-drano; ka ny telo nitodika nianavaratra, ny telo nitodika niankandrefana, ny telo nitodika nianatsimo, ary ny telo nitodika niantsinanana. Eny, ilay fitobian-drano goavana dia teo ambonin’ireo sarin’ombalahy izay nifampiamboho ireo.


Hanaovana fehivava mivelatra valo santimetatra manodidina azy sady hasiana sisiny volamena eo ambonin’io fehivava io.