Ny sambon’i Hirama, izay naka volamena avy tany Ôfira, dia nitondra hazo sarobidy betsaka tokoa sy vatosoa.
2Tantara 2:8 - DIEM PROTESTANTA mba hanamboatra hazo betsaka ho ahy, fa ny trano izay tiako hatao dia ho lehibe sy higagana. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 mba hanamboatra hazo betsaka ho ahy; fa ny trano izay haoriko dia ho lehibe higagana. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara mba hanamboatra hazo betsaka ho ahy, fa ny trano izay tiako hatao dia ho lehibe sy higagana. Baiboly Katolika mba hamonona hazo betsaka ho ahy, fa ho lehibe sy tsara higagàna ny trano hataoko. Baiboly Protestanta Malagasy mba hanamboatra hazo betsaka ho ahy; fa ny trano izay efa hataoko dia ho lehibe higagana. Malagasy Bible mba hanamboatra hazo betsaka ho ahy; fa ny trano izay efa hataoko dia ho lehibe higagana. La Bible en Malgache mba hanamboatra hazo betsaka ho ahy; fa ny trano izay haoriko dia ho lehibe higagana. |
Ny sambon’i Hirama, izay naka volamena avy tany Ôfira, dia nitondra hazo sarobidy betsaka tokoa sy vatosoa.
I Salômôna dia nanana tranon-tsoavaly afaka mandray soavaly 40 000 mpitarika kalesy ary koa nanana mpitaingin-tsoavaly 12 000.
Fa hoy izy anakampony: «I Salômôna zanako mbola kely sady tanora fanahy, ary ny tempoly haorina ho an’ny TOMPO dia tsy maintsy ho lehibe tokoa mba hielezan’ny lazany sy ny voninahiny any amin’ny tany rehetra; koa hovononiko rahateo ny zavatra hoenti-manao azy.» Dia nahavonona betsaka tokoa i Davida fahavelony.
Koa indro aho hanome varimbazaha sy vary ôrza samy enina arivo taonina ary koa divay sy menaka samy 800 000 litatra avy, ho sakafon’ireo mpiasanao mpikapa hazo.»