Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




2Tantara 12:2 - DIEM PROTESTANTA

Ary tamin’ny taona fahadimy nanjakan’i Rehabohama dia niakatra i Sisàka mpanjakan’i Ejipta mba hamely an’i Jerosalema, satria nivadika tamin’ny TOMPO ireo mponina tao.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ary tamin’ny taona fahadimy nanjakan’i Rehoboama mpanjaka dia niakatra hamely an’i Jerosalema i Sisaka, mpanjakan’i Ejipta, fa nivadika tamin’NY TOMPO ny mponina tany.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Ary tamin’ny taona fahadimy nanjakan’i Rehabohama dia niakatra i Sisàka mpanjakan’i Ejipta mba hamely an’i Jerosalema, satria nivadika tamin’ny TOMPO ireo mponina tao.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Tamin’ny taona fahadimy nanjakan-dRôbôama, dia niakatra i Sesàka mpanjakan’i Ejipta hamely an’i Jerosalema noho izy ireo nanota tamin’i Iaveh.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary tamin’ny taona fahadimy nanjakan-dRehoboama mpanjaka dia niakatra Sisaka, mpanjakan’i Egypta, hamely an’i Jerosalema, fa nivadika tamin’i Jehovah ny mponina tany,

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary tamin'ny taona fahadimy nanjakan-dRehoboama mpanjaka dia niakatra Sisaka, mpanjakan'i Egypta, hamely an'i Jerosalema, fa nivadika tamin'i Jehovah ny mponina tany,

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ary tamin’ny taona fahadimy nanjakan’i Rehoboama mpanjaka dia niakatra hamely an’i Jerosalema i Sisaka, mpanjakan’i Ejipta, fa nivadika tamin’NY TOMPO ny mponina tany.

Jereo ny toko



2Tantara 12:2
17 Rohy Ifampitohizana  

Koa nitady hahafaty an’i Jerôbohama i Salômôna; fa i Jerôbohama kosa lasa nandositra tany Ejipta ka nialokaloka tao amin’i Sisàka mpanjakan’io tany io mandra-pahafatin’i Salômôna.


Ny tobin’ny Sirianina manko efa nampandrenesan’ny Tompo firohondrohon-kalesy sy firiotran-tsoavaly ary firodorodon-tafika goavana. Dia nifampiresaka ny Sirianina nanao hoe: «Efa nokaramain’ny mpanjakan’i Israely ireo mpanjaka hetita sy ejiptianina mba hiady amintsika!»


«Ianao kosa, ry Salômôna zanako, fantaro ilay Andriamanitra notompoin’ny rainao, ka manompoa Azy amin’ny fo manontolo sy amin’ny fanahy mazoto; fa ny TOMPO dia mpandinika ny fon’ny olona rehetra ary mpahafantatra ny fieritreretana rehetra. Raha mitady Azy ianao, dia hahita Azy; fa raha mandao Azy kosa ianao, dia hariany mandrakizay.


Ary i Zera, ilay Etiôpianina, dia niainga hiady tamin’izany tafika izany sady nitondra miaramila nisy antokony arivo sy kalesy telonjato, ka tonga tao Maresà.


Ary niroso hifanandrina aminy kosa i Asà; ka samy nilahatra hiady teo an-dohasaha Tsefatà akaikin’i Maresà izy roa tonta.


hany ka nilaozan’ireo Israelita ny tranon’ny TOMPO Andriamanitry ny razany mba hanompoany ny tsatokazo fanajana an’i Aserà sy handalàny sampy hafa. Noho izany fahadisoana izany, dia niharan’ny fahatezeran’ny TOMPO i Joda sy i Jerosalema.


Irahinao ny masoivoho izay mandeha lakan-jozoro eny ambonin’ny ranon’i Neily. –Miverena ianareo, ry iraka faingam-pandeha, any amin’ireo olona ranjanana sy malandilandy, any amin’ilay firenena atahorana hatreto ka hatrany am-paran’ny tany, any amin’ilay firenena matanjaka izay manosihosy ny fahavalony. Miverena any amin’ny taninareo izay vakivakîn’ny ony maro.


Saingy nikomy tamin’ny Tompo ireo ka nanome alahelo ny Fanahiny Masina; dia tonga fahavalon’ireo Izy sady niady taminy mihitsy.


Aoka ho voasazy ianao noho ny ratsy nataonao ary hofaizina noho ny fivadihanao! Ho fantatrao amin’izay fa mangidy sy ratsy ny nandaozanao Ahy TOMPO Andriamanitrao sy ny tsy anajanao Ahy intsony, hoy ny teny hentitry ny Tompo, ANDRIAMANITR’izao rehetra izao.


Nitsahatra ny hafalian’ny fonay; niova ho fisaonana ny dihin-karavoanay.