Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




2Tantara 12:3 - DIEM PROTESTANTA

3 Nitondra kalesy 1 200 sy mpitaingin-tsoavaly 60 000 i Sisàka; ary tsy hita isa ny miaramila nanaraka azy avy any Ejipta, dia ny Libianina sy ny Sokita ary ny Etiôpianina.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

3 Nitondra kalesy fitondra miady roanjato sy arivo sy mpitaingin-tsoavaly enina alina izy, ary tsy hita isa ny olona izay nanaraka azy avy tany Ejipta, dia ny Lobita sy ny Sokita ary ny Etiopiana.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

3 Nitondra kalesy 1 200 sy mpitaingin-tsoavaly 60 000 i Sisàka; ary tsy hita isa ny miaramila nanaraka azy avy any Ejipta, dia ny Libianina sy ny Sokita ary ny Etiôpianina.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

3 Nitondra kalesy 1.200 mpitaingin-tsoavaly 60.000 izy, ary tsy tambo isaina ny vahoaka momba azy avy any Ejipta, dia ny Libianina, ny Sokianina, ny Etiôpianina.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

3 ary nitondra kalesy roan-jato amby arivo sy mpitaingin-tsoavaly enina alina izy, ary tsy hita isa ny olona izay nanaraka azy avy tany Egypta, dia ny Lobita sy ny Sokita ary ny Etiopiana.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

3 ary nitondra kalesy roan-jato amby arivo sy mpitaingin-tsoavaly enina alina izy, ary tsy hita isa ny olona izay nanaraka azy avy tany Egypta, dia ny Lobita sy ny Sokita ary ny Etiopiana.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

3 Nitondra kalesy fitondra miady roanjato sy arivo sy mpitaingin-tsoavaly enina alina izy, ary tsy hita isa ny olona izay nanaraka azy avy tany Ejipta, dia ny Lobita sy ny Sokita ary ny Etiopiana.

Jereo ny toko dika mitovy




2Tantara 12:3
15 Rohy Ifampitohizana  

Vaky nandositra teo anoloan’ny Israelita ireo Sirianina, ka nahafatesan-dry i Davida olona tao an-kalesy fitonjato sy mpitaingin-tsoavaly 40 000. Naratrany koa i Sôbàka filohan-tafika, ka maty teo.


Ny tobin’ny Sirianina manko efa nampandrenesan’ny Tompo firohondrohon-kalesy sy firiotran-tsoavaly ary firodorodon-tafika goavana. Dia nifampiresaka ny Sirianina nanao hoe: «Efa nokaramain’ny mpanjakan’i Israely ireo mpanjaka hetita sy ejiptianina mba hiady amintsika!»


ary nenjehin’i Asà sy ny tafiny hatrany Gerara. Ary nahafatesana be tokoa ny Etiôpianina sady tsy nisy afa-nitsoaka akory aza, satria montsana teo anoloan’ny TOMPO sy ny tafika nombany. Babo betsaka no azon’ny Jodeanina tamin’izay.


Ary i Zera, ilay Etiôpianina, dia niainga hiady tamin’izany tafika izany sady nitondra miaramila nisy antokony arivo sy kalesy telonjato, ka tonga tao Maresà.


Ary niroso hifanandrina aminy kosa i Asà; ka samy nilahatra hiady teo an-dohasaha Tsefatà akaikin’i Maresà izy roa tonta.


Tsy tafika marobe ve ny Etiôpianina sy ny Libianina ary tsy betsaka ve ny kalesiny ama-mpitaingin-tsoavaliny? Nefa noho ny niankinanao tamin’ny TOMPO, dia natolony teo an-tananao ireo.


Satria Izaho no TOMPO Andriamanitrao, ilay Masin’i Israely mpamonjy anao. Nomeko hanavotana anao i Ejipta; ary nataoko solonao i Etiôpia sy i Sebà.


Ny olona avy any Etiôpia sy Pota ary Loda, ny olona avy any Arabia manontolo sy Libia, mbamin’ny teraky ny vahoakako aza, dia hisy ho faty an’ady.


Ho lasany avokoa ny tahirim-bolamena sy volafotsy ary zava-tsoan’i Ejipta; ary ny Libianina sy ny Etiôpianina dia hanaiky azy.


I Etiôpia sy i Ejipta no heriny tsy mety ritra ary ny vahoakan’i Pota sy ny Libianina no mpanampy azy.


Ary ny isan’ny miaramila an-tsoavaly dia roanjato tapitrisa, fa nahare ny isany aho.


Koa novoriny tao Harôseta-Gôima ny kalesiny vy sivinjato sy ny miaramilany rehetra; dia avy teo izy no nankany amin’ny renirano Kisôna.


Nifindrafindra niaraka tamin’ny biby fiompiny sy ny lainy ireny sady toy ny valala no fiaviny; fa maro izy mbamin’ny ramevany ka tsy hita isa. Niditra tamin’ny tany izy mba handrava azy;


Ny Filistinina kosa tetsy an-danin’izany dia vory lanona mba hiady amin’i Israely: nanana kalesy telo alina sy mpitaingin-tsoavaly enina arivo, ary miaramila betsaka tahaka ny fasika eny amoron-dranomasina izy ireo, ary tonga nitoby tao Mikmasy, atsinanan’i Bèty-Avena.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra