Ary i Abrama namakivaky ny tany hatrany amin’ny hazo ôakan’i Môre, any Sekema. Ny Kanahanita no nipetraka tamin’iny faritra iny tamin’izany.
2Tantara 10:1 - DIEM PROTESTANTA Nankany Sekema i Rehabohama, satria tao no efa nahatongavan’ny Israelita tavaratra rehetra hampanjaka azy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Nankany Sekema i Rehoboama, fa tonga tany ny Israely rehetra hampanjaka azy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Nankany Sekema i Rehabohama, satria tao no efa nahatongavan’ny Israelita tavaratra rehetra hampanjaka azy. Baiboly Katolika Ary nankany Sikema i Rôbôama, fa efa nandeha nankany Sikema i Israely rehetra hampanjaka azy. Baiboly Protestanta Malagasy ARY Rehoboama nankany Sekema, fa tany no efa nalehan’ny Isiraely rehetra hampanjaka azy. Malagasy Bible Ary Rehoboama nankany Sekema, fa tany no efa nalehan'ny Isiraely rehetra hampanjaka azy. La Bible en Malgache Nankany Sekema i Rehoboama, fa tonga tany ny Israely rehetra hampanjaka azy. |
Ary i Abrama namakivaky ny tany hatrany amin’ny hazo ôakan’i Môre, any Sekema. Ny Kanahanita no nipetraka tamin’iny faritra iny tamin’izany.
Tamin’ireo teny ampita atsinanan’i Jôrdàna, izany hoe tamin’ny Reobenita sy ny Gadita ary ny antsasa-pokon’i Manase, dia nisy 120 000 ny lehilahy mirongo fiadiana isan-karazany.
Taranak’i Salômôna: i Rehabohama zanakalahin’i Salômôna, i Abià zanakalahin-dRehabohama, i Asà zanakalahin’i Abià, i Jôsafata zanakalahin’i Asà,
Tamin’izay i Jerobohama, zanakalahin’i Nebata, dia tany Ejipta, noho izy nandositra lavitra an’i Salômôna mpanjaka. Koa rehefa ren’i Jerobohama fa hisy izany fivoriana izany, dia niverina avy tany Ejipta izy.
Rehefa lasa nodimandry any amin’ny razany izy, dia nalevina teo anilan-drainy, tao an-Tanànan’i Davida; ary i Rehabohama zanany lahy no nanjaka nandimby azy.
i Salômôna, ray niteraka an’i Rehabohàma; i Rehabohàma, ray niteraka an’i Abià; i Abià, ray niteraka an’i Asà.
Dia natokan’ny Israelita ireto tanàna ireto: i Kedesa any Galilea any amin’ny faritra havoan’i Naftalỳ; sy i Sekema, any amin’ny faritra havoan’i Efraîma; ary i Kiriata-Arbà (antsoina hoe koa Hebrôna) any amin’ny faritra havoan’i Joda.
Namory ny fokon’i Israely rehetra tao Sekema i Josoa. Nantsoiny avokoa ireo loholony sy lehilahy ary mpitsarany sy manamboninahiny, ka tonga niseho teo anatrehan’Andriamanitra.
I Abimelèka, zanakalahin’i Jerobahala na Gidehôna, dia nankany Sekema mba hifandinika tamin’ny anadahin-dreniny sy izay rehetra isan’ny fianakavian-dreniny ka nanao taminy hoe: