Nisy koa ny fikomian’i Jerôbohama tamin’ny mpanjaka. Izao ny tantarany: I Jerôbohama, zanakalahin’i Nebata, dia Efraîmita avy any Tseredà; ny reniny dia mpitondratena nantsoina hoe Tserohà; ary izy dia mba mpanompon’i Salômôna saingy nikomy taminy. Fa tamin’ny fotoana nanaovan’i Salômôna ny Milao sy nanamboarana ny rimbona tamin’ny mandan’ny tanànan’i Davida rainy,
dia tovolahy mahay sady mahavita tsara ny asany i Jerôbohama; koa nony hitan’i Salômôna izany, dia nataony mpifehy ireo mpiasan’ny fokon’i Efraîma sy i Manase izy.
Koa nitady hahafaty an’i Jerôbohama i Salômôna; fa i Jerôbohama kosa lasa nandositra tany Ejipta ka nialokaloka tao amin’i Sisàka mpanjakan’io tany io mandra-pahafatin’i Salômôna.
Ny sisa amin’ny tantaran’i Salômôna, na tamboalohany na tafara, dia voasoratra ao amin’ireo boky milohateny hoe Asan’i Natàna mpaminany sy Faminanian’i Ahià avy any Silao ary Fahitàn’i Hidao. –Ity boky farany ity dia mitantara ny amin’i Jerôbohama, zanakalahin’i Nebata–.