Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




1Jaona 1:2 - DIEM PROTESTANTA

Eny, efa naseho ny fiainana sady efa hitanay; ary tonga vavolombelony izahay ka manambara aminareo ny fiaina-maharitra mandrakizay, dia ilay fiainana nitodika tany amin’ny Ray ka efa naseho taminay.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

fa efa naseho ny fiainana, ary efa nahita azy izahay, dia tonga vavolombelona ka manambara aminareo ny fiainana mandrakizay izay tao amin’ny Ray ka efa naseho taminay,

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Eny, efa naseho ny fiainana sady efa hitanay; ary tonga vavolombelony izahay ka manambara aminareo ny fiaina-maharitra mandrakizay, dia ilay fiainana nitodika tany amin’ny Ray ka efa naseho taminay.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

fa efa naseho ny fiainana, sy efa hitanay, ary vavolombelony izahay, ka manambara aminareo ny fiainana mandrakizay izay tao amin’ny Ray sy naseho taminay. -

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

fa efa naseho ny fiainana, ary efa nahita azy izahay, dia tonga vavolombelona ka manambara aminareo ny fiainana mandrakizay, izay tao amin’ny Ray ka efa naseho taminay),–

Jereo ny toko

Malagasy Bible

(fa efa naseho ny fiainana, ary efa nahita azy izahay, dia tonga vavolombelona ka manambara aminareo ny fiainana mandrakizay, izay tao amin'ny Ray ka efa naseho taminay), -

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

fa efa naseho ny fiainana, ary efa nahita azy izahay, dia tonga vavolombelona ka manambara aminareo ny fiainana mandrakizay izay tao amin’ny Ray ka efa naseho taminay,

Jereo ny toko



1Jaona 1:2
37 Rohy Ifampitohizana  

Tsy nisy nahita an’Andriamanitra na oviana na oviana; fa ny Zanaka lahitokana, Izay Andriamanitra sy miombona tanteraka amin’ny Ray, no efa nanambara Azy.


Ilay Teny no nirakitra ny aina, ary io aina io no nitondra fahazavana ho an’ny olombelona.


Izaho no manome azy ny aina maharitra mandrakizay ka tsy ho very izy na oviana na oviana, ary tsy hisy haharombaka azy eo an-tanako.


Fa novalian’i Jesoa hoe: –Izaho no lalana sy fahamarinana ary aina; tsy misy olona mankany amin’ny Ray raha tsy amin’ny alalako.


Ary ianareo koa dia vavolombelona hanambara Ahy, satria miaraka amiko hatramin’ny voalohany ianareo!


Nivoaka avy any amin’ny Ray Aho no tonga eto amin’izao tontolo izao; ary hiala eto amin’izao tontolo izao indray Aho, ka hankany amin’ny Ray.


Ary izao no aina maharitra mandrakizay: dia ny mahalala Anao hany Andriamanitra tokana sady marina sy ny mahalala an’i Jesoa Kristy Ilay nirahinao.


Ray ô, omeo voninahitra eo anilanao kosa Aho ankehitriny; eny, omeo Ahy ilay voninahitra niarahako nanana taminao, fony tsy mbola ary izao tontolo izao.


Ilay nahita no vavolombelona manambara ary azo antoka ny fijoroany ho vavolombelona, sady fantany fa milaza ny marina izy mba hinoanareo koa.


Izany no fisehoan’i Jesoa fanintelony tamin’ny mpianany, fony Izy tafatsangana velona avy any amin’ny maty.


Ary tsy nisy niakatra any an-danitra afa-tsy Ilay nidina avy tany an-danitra, dia ny Zanak’olona.


Izaho no mahalala Azy, satria avy any aminy no ipoirako sady Izy no naniraka Ahy.


Izaho izay milaza izay efa hitako teo amin’ny Raiko; ianareo kosa manao izay efa renareo tamin’ny rainareo!


hatramin’ny andro nanaovan’i Jôhany batisa an’i Jesoa ka hatramin’ny andro nanalana Azy taminay sy nampiakarana Azy any an-danitra. Koa amin’ireo no tokony hisy anankiray ho namanay mba ho vavolombelona hanambara fa nitsangana velona i Jesoa Tompo.


tsy tamin’ny vahoaka ankapobeny fa taminay vavolombelona efa notendren’Andriamanitra mialoha hanambara an’i Jesoa. Niara-nihinana sy nisotro taminy izahay taorian’ny nananganan’Andriamanitra Azy ho velona avy any amin’ny maty;


Iny Jesoa iny no natsangan’Andriamanitra ho velona ary vavolombelona manambara izany izahay rehetra.


ilay Mpitari-dalana ho amin’ny fiainana dia novonoinareo, nefa natsangan’Andriamanitra ho velona avy any amin’ny maty; ary vavolombelona manambara izany izahay.


Vavolombelona manambara izany ny tenanay mbamin’ny Fanahy Masina nomen’Andriamanitra ny olona manaiky Azy.


Satria izay tsy vitan’ny lalànan’i Mosesy, noho ny lalàna nolemen’ny maha olona mpanota, dia notontosain’Andriamanitra. Voahelok’Andriamanitra ny fahotana tao amin’ny maha olona mpanota fony Izy naniraka ny Zanany, Izay naka ny endriky ny maha olombelona mba hanaisotra ny fahotana.


fa rehefa tonga tokoa ny fotoanandro, dia nirahin’Andriamanitra ny Zanany: natera-behivavy io Zanany io ary niaina teo ambany fahefan’ny lalàna jiosy,


Ary iaraha-miaiky fa lehibe ny tsiambaratelo nambara momba ny fivavahantsika: Niharihary ho olombelona i Kristy, nankatoavin’Andriamanitra tamin’ny herin’ny Fanahy masina ary niseho tamin’ny iraka; notorîna tany amin’ny firenena, ka ninoana eran’izao tontolo izao; nakarina any an-danitra tamim-boninahitra.


kanefa naharihariny antsika ankehitriny tamin’ny nisehoan’ilay Mpamonjy antsika, dia i Kristy Jesoa Izay nanafoana ny herin’ny fahafatesana sy nanambara mazava ny fiainana sy ny tsy fahalòvana tamin’ny alalan’ny Vaovao Mahafaly.


dia fivavahana miorina amin’ny fanantenana ny fiaina-maharitra mandrakizay. Ilay Andriamanitra tsy mba mandainga dia nampanantena antsika izany fiainana izany, fony tsy mbola nisy ary akory izao rehetra izao;


Mananatra ny loholom-piangonana eo aminareo aho, dia izaho loholona tahaka azy ireo sy vavolombelon’ny fijalian’i Kristy ary koa mpiombona amin’ny voninahitra efa haseho.


Ny amin’ilay Teny manome fiainana no anoratanay aminareo. Izy, Izay nisy hatramin’ny voalohany, ka efa renay, efa hitan’ny masonay, efa nobanjininay ary efa notsapain’ny tananay no ambaranay aminareo.


Ary ny zavatra nampanantenain’i Kristy antsika dia ny fiaina-maharitra mandrakizay.


Fantatrareo kosa fa i Jesoa Kristy no niseho, dia mba hanala ny ota, ary tsy mba misy ota ao aminy.


Izay manota dia avy amin’ny devoly, satria ny devoly dia mpanota hatrany am-boalohany. Ary ny anton’ny nisehoan’ilay Zanak’Andriamanitra, dia ny handrava ny asan’ny devoly.


Ary izahay efa nahita ka dia vavolombelona manambara fa naniraka ny Zanany ho Mpamonjy an’izao tontolo izao ny Ray.


Izao no ahafantaranareo ny Fanahin’Andriamanitra: ny olona rehetra manaiky fa efa tonga olombelona tokoa i Jesoa Kristy, dia manana ny Fanahy avy amin’Andriamanitra;


Ary ny zavatra nambara dia izao: fiaina-maharitra mandrakizay no efa nomen’Andriamanitra antsika ary ao amin’ilay Zanany izany fiainana izany.


Izany no voasoratro ho anareo izay mino ny anaran’ilay Zanak’Andriamanitra, mba hahafantaranareo fa velona aina mandrakizay ianareo.


Ary fantatsika fa tonga ny Zanak’Andriamanitra ka efa nanome antsika fahazavan-tsaina mba hahalalantsika an’ilay Andriamanitra tena Izy; ary tafaray amin’izany Andriamanitra tena Izy izany isika, amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanany Izay Andriamanitra tena Izy sady fiaina-maharitra mandrakizay.