Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




1Jaona 5:11 - DIEM PROTESTANTA

11 Ary ny zavatra nambara dia izao: fiaina-maharitra mandrakizay no efa nomen’Andriamanitra antsika ary ao amin’ilay Zanany izany fiainana izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

11 Ary izao no fanambaràny: Fiainana mandrakizay no nomen’Andriamanitra antsika, ary ao amin’ny Zanany izany fiainana izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

11 Ary ny zavatra nambara dia izao: fiaina-maharitra mandrakizay no efa nomen’Andriamanitra antsika ary ao amin’ilay Zanany izany fiainana izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

11 Ary izany fanambaràna izany dia izao: nomen’Andriamanitra ny fiainana mandrakizay isika, ary ao amin’ny Zanany izany fiainana izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

11 Ary izao no fanambarany: Fiainana mandrakizay no omen’Andriamanitra antsika, ary ao amin’ny Zanany izany fiainana izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

11 Ary izao no fanambarany: Fiainana mandrakizay no omen'Andriamanitra antsika, ary ao amin'ny Zanany izany fiainana izany.

Jereo ny toko dika mitovy




1Jaona 5:11
37 Rohy Ifampitohizana  

Dia hiroso ho any amin’ny fijaliana maharitra mandrakizay ireo fa ny olo-marina kosa ho any amin’ny fiaina-maharitra mandrakizay.


Toy izao no fijoroan’i Jôhany ho vavolombelona. Nisy mpisorona sy levita nirahin’ny manampahefana jiosy avy any Jerosalema hankeo aminy, mba hanontany azy hoe: –Iza moa ianao?


Ilay Teny no nirakitra ny aina, ary io aina io no nitondra fahazavana ho an’ny olombelona.


Izaho no manome azy ny aina maharitra mandrakizay ka tsy ho very izy na oviana na oviana, ary tsy hisy haharombaka azy eo an-tanako.


Fantatro fa ny didin’ny Ray no mitondra fiaina-maharitra mandrakizay. Koa ireo zavatra nambarako dia nambarako araka ny voalazan’ny Ray tamiko.


Fa novalian’i Jesoa hoe: –Izaho no lalana sy fahamarinana ary aina; tsy misy olona mankany amin’ny Ray raha tsy amin’ny alalako.


Ilay nahita no vavolombelona manambara ary azo antoka ny fijoroany ho vavolombelona, sady fantany fa milaza ny marina izy mba hinoanareo koa.


Izay mino ny Zanaka no velona aina mandrakizay; fa izay tsy mino ny Zanaka dia tsy ho velona aina, fa itoeran’ny hatezeran’Andriamanitra.


Izay mijinja dia mandray karama sahady ary mamory vokatra ho an’ny fiaina-maharitra mandrakizay; hany ka hiara-mifaly ny mpamafy sy ny mpijinja.


ka tsy maintsy namakivaky ny faritany Samaria.


Ny Ray dia mampitsangana ireo maty sy mamelona aina azy: toy izany koa, ny Zanaka dia mamelona aina ireo tiany hovelomina aina.


Ny Ray dia manana fahefana hanome ny aina: toy izany koa no nanomezany fahefana ny Zanaka hanome ny aina.


Eny, izao no sitrapon’ny Raiko: dia ny hahavelona aina mandrakizay ny olona rehetra mibanjina sy mino ny Zanaka; ary Izaho dia hanangana azy ho velona amin’ny andro farany.


Lazaiko marina dia marina aminareo fa izay mino Ahy dia velona aina mandrakizay.


Dia novalian’i Simôna Petera hoe: –Tompo ô, hankany amin’iza àry izahay? Ianao no manana ny teny manome ny aina maharitra mandrakizay;


Koa tahaka ny nanjakan’ny fahotana ka nahafaty antsika no hanjakan’ny fahasoavan’Andriamanitra hahatonga antsika ho marina ka hahavelona antsika mandrakizay amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Tompontsika.


Satria fahafatesana no tambin’ny fahotana, dia ny fanomezan’Andriamanitra maimaimpoana kosa dia fiaina-maharitra mandrakizay ho an’izay ao amin’i Kristy Jesoa Tompontsika.


Kanefa izao no anton’ny namindran’Andriamanitra fo tamiko: tiany hasehon’i Kristy Jesoa ao amiko mpanota faraidiny ny fahari-pony rehetra mba ho ohatra ho an’izay hino Azy ka handray ny fiaina-maharitra mandrakizay.


dia fivavahana miorina amin’ny fanantenana ny fiaina-maharitra mandrakizay. Ilay Andriamanitra tsy mba mandainga dia nampanantena antsika izany fiainana izany, fony tsy mbola nisy ary akory izao rehetra izao;


Ary ny zavatra nampanantenain’i Kristy antsika dia ny fiaina-maharitra mandrakizay.


Izao no fitiavana: tsy hoe isika no nitia an’Andriamanitra; fa Izy no nitia antsika, ka naniraka ny Zanany lahitokana ho sorom-panonerana hamelana ny fahotantsika.


Izao no nanehoan’Andriamanitra ny fitiavany antsika: nirahiny ho eo amin’izao tontolo izao ny Zanany lahitokana mba hahavelona antsika amin’ny alalany.


Koa izay mino ilay Zanak’Andriamanitra no manana izany zavatra ambara izany ao anatiny; izay tsy mino an’Andriamanitra kosa dia efa nampandainga an’Andriamanitra, satria tsy nino ny zavatra nambarany momba ilay Zanany.


Ary fantatsika fa tonga ny Zanak’Andriamanitra ka efa nanome antsika fahazavan-tsaina mba hahalalantsika an’ilay Andriamanitra tena Izy; ary tafaray amin’izany Andriamanitra tena Izy izany isika, amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanany Izay Andriamanitra tena Izy sady fiaina-maharitra mandrakizay.


Fa ankehitriny, telo no vavolombelona manambara:


Ny amin’i Demètry dia ny olona rehetra sy ny hafatra marim-pototra iainany no vavolombelon’ny mahatsara laza azy. Izahay koa dia vavolombelon’izany, ary fantatrao fa azo antoka ny fijoroanay ho vavolombelona.


mitahiriza tena ao amin’ny fitiavan’Andriamanitra, ka mahandrasa ny famindrampon’i Jesoa Kristy Tompontsika hahazoanareo fiaina-maharitra mandrakizay.


Io Jôhany io no vavolombelona nampita ny teny avy amin’Andriamanitra sy ny hafatra nijoroan’i Jesoa Kristy ho vavolombelona, dia ny zavatra rehetra efa hitany.


Dia nasehon’ny anjely tamiko ity onin-dranovelona manganohano toy ny vato kristaly, nivoaka avy teo amin’ilay sezafiandrianana ipetrahan’Andriamanitra sady ipetrahan’ny Zanakondry.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra