Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




1Jaona 5:10 - DIEM PROTESTANTA

10 Koa izay mino ilay Zanak’Andriamanitra no manana izany zavatra ambara izany ao anatiny; izay tsy mino an’Andriamanitra kosa dia efa nampandainga an’Andriamanitra, satria tsy nino ny zavatra nambarany momba ilay Zanany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

10 Izay mino ny Zanak’Andriamanitra no manana ny fanambaràna ao anatiny; izay tsy mino an’Andriamanitra dia efa nampandainga Azy, satria tsy mino ny fanambaràna izay nanambaràn’Andriamanitra ny Zanany izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

10 Koa izay mino ilay Zanak’Andriamanitra no manana izany zavatra ambara izany ao anatiny; izay tsy mino an’Andriamanitra kosa dia efa nampandainga an’Andriamanitra, satria tsy nino ny zavatra nambarany momba ilay Zanany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

10 Koa izay mino ny Zanak’Andriamanitra dia manana izany fanambaràna izany ao anatiny; fa izay tsy mino kosa dia mampandainga an’Andriamanitra, satria tsy mino ny fanambaràny ny Zanany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

10 Izay mino ny Zanak’Andriamanitra no manana ny fanambarana ao anatiny; izay tsy mino an’Andriamanitra dia efa nampandainga Azy, satria tsy mino ny fanambarana izay nanambaran’Andriamanitra ny Zanany izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

10 Izay mino ny Zanak'Andriamanitra no manana ny fanambarana ao anatiny; izay tsy mino an'Andriamanitra dia efa nampandainga Ary, satria tsy mino ny fanambarana izay nanambaran'Andriamanitra ny Zanany izy.

Jereo ny toko dika mitovy




1Jaona 5:10
22 Rohy Ifampitohizana  

Raha tàhiny ka tsy izany no marina, dia iza no sahy hanao ahy ho mpandainga ka haneho fa tsinontsinona izay voalazako?


Ireo mpanaja ny TOMPO no anehoany ny tsiambaratelony, satria ampahafantariny azy tokoa izay raketin’ny fanekempihavanany.


satria halan’ny TOMPO ny mpaniasia fa ny olo-marina kosa isakaizany fatratra.


Iza no nino ny fanambaràna natao taminay? Ary iza no nampisehoana ny herin’ny TOMPO?


Nahoana no mitohy ny fijaliako? Nahoana no tsy mety sitrana ny feriko sady tsy andairam-panafody? Ho tonga mamitaka ahy Ianao toy ny mason-dranotrambo ka tsy azo antoka hisy rano.


Andriamanitra tsy mba olona ka handainga, na taranak’olombelona ka hanenina. Izay nolazainy dia hoefainy; izay nampanantenainy dia hotanterahiny.


Eny, notiavin’Andriamanitra fatratra izao tontolo izao, ka nomeny ny Zanany lahitokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy fa ho velona aina mandrakizay.


Izay mino ny Zanaka dia tsy helohina; fa izay tsy mino koa dia efa voaheloka rahateo, noho izy tsy nino ny Zanaka lahitokan’Andriamanitra.


Izay mandray ny fijoroany ho vavolombelona dia manamarina fa azo antoka Andriamanitra.


sady tsy mba manana ny teniny mitoetra ao anatinareo, noho ianareo tsy mino Ilay nirahiny.


Dia novalian’i Filipo hoe: –Raha amin’ny fonao manontolo no inoanao, dia azo atao batisa ianao. Ary hoy ilay tandapa: –Mino aho fa i Jesoa Kristy no ilay Zanak’Andriamanitra.]


Ny Fanahy Masina mihitsy no manambara amin’ny fanahintsika fa zanak’Andriamanitra isika.


Izao anefa no teniko: raha mbola zaza ny mpandova, dia tsy hafa noho ny mpanompo izy na dia tompon’ny zavatra rehetra aza;


Ary ny maha zanaka anareo, dia ny nanirahan’Andriamanitra ho ao am-pontsika ny Fanahin’ny Zanany miantso hoe: «Raiko ô!»


Fa efa maty ianareo, ka ny fiainanareo dia miara-miafina amin’i Kristy ao amin’Andriamanitra.


Tandremo, ry havana, fandrao hisy aminareo hanana fo ratsy tsy mino ka hiala amin’Andriamanitra velona.


Ary mafy orina kokoa ho antsika ny tenin’ireo mpaminanin’Andriamanitra; ka tsara raha ifantohanareo izany toy ny ifantohanareo amin’ny jiro mamiratra anaty toerana maizimaizina, mandra-pahazàvan’ny andro sy mandra-piposaky ny kintana fitarikandro ao am-ponareo.


Raha milaza ho tsy nanota isika, dia mampandainga an’Andriamanitra sady tsy ao anatintsika ny teniny.


Izay rehetra mino fa i Jesoa no Kristy, dia naterak’Andriamanitra; ary izay rehetra tia ilay Andriamanitra niteraka, dia tia izay naterak’Andriamanitra koa.


Dia tezitra tamin-dravehivavy ny dràgona ka lasa nandeha tamin’ny taranany sisa, izay mitandrina ny didin’Andriamanitra sy mitana ny hafatra nijoroan’i Jesoa ho vavolombelona; ary nijanona teo amin’ny fasi-dranomasina ilay dràgona.


«Izay manan-tsofina, aoka hihaino izay lazain’ny Fanahy Masina amin’ireo Fiangonana. «Izay maharesy dia homeko mana miafina sady homeko vato fotsy; ary eo amin’io vato io dia misy anaram-baovao voasoratra, izay tsy fantatr’olona afa-tsy izay mandray azy ihany.»


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra