Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




1Jaona 1:1 - DIEM PROTESTANTA

1 Ny amin’ilay Teny manome fiainana no anoratanay aminareo. Izy, Izay nisy hatramin’ny voalohany, ka efa renay, efa hitan’ny masonay, efa nobanjininay ary efa notsapain’ny tananay no ambaranay aminareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

1 Izay efa hatramin’ny voalohany, dia izay efa renay, izay efa hitan’ny masonay, izay efa nojerenay sady efa notsapain’ny tananay, dia ny amin’ny Tenin’ny Fiainana,

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

1 Ny amin’ilay Teny manome fiainana no anoratanay aminareo. Izy, Izay nisy hatramin’ny voalohany, ka efa renay, efa hitan’ny masonay, efa nobanjininay ary efa notsapain’ny tananay no ambaranay aminareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

1 Izay efa nisy hatramin’ny voalohany, sy efa renay, efa hitan’ny masonay, efa nodinihinay, ary efa notsapain’ny tananay, dia ny Teny fiainana; -

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

1 IZAY hatramin’ny voalohany, dia izay efa renay, izay efa hitan’ny masonay, izay efa nojerenay sady efa notsapain’ny tànanay, dia ny amin’ny Teny Fiainana (

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

1 Izay hatramin'ny voalohany, dia izay efa renay, izay efa hitan'ny masonay, izay efa nojerenay sady efa notsapain'ny tananay, dia ny amin'ny Teny Fiainana

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

1 Izay efa hatramin’ny voalohany, dia izay efa renay, izay efa hitan’ny masonay, izay efa nojerenay sady efa notsapain’ny tananay, dia ny amin’ny Tenin’ny Fiainana,

Jereo ny toko dika mitovy




1Jaona 1:1
23 Rohy Ifampitohizana  

Tsy izaho ve no nanao sy nahatanteraka izany sady niantso ny taranaka hatrany am-piandohana? Izaho no TOMPO teo am-piandohana ary Izaho ihany no ho Izy any am-piafarana.


–Noho izany, ny Tompo dia hanolotra ny vahoakany amin’ny fahavalo mandra-piavin’ny andro hahatera-dahy ny vehivavy iray; ka izay sisa velona, amin’ireo rahalahiny voasesi-tany, dia hiverina ho any amin’ireo Israelita namany.


Ny nanovozan’ireo mpanoratra dia ny vavolombelona nahita maso hatrany am-boalohany sady niandraikitra ny fitoriana ny tenin’Andriamanitra ka nampita izany tamintsika.


Jereo ny tanako sy ny tongotro fa Izaho mihitsy ity. Kasiho Aho ka jereo, fa ny matoatoa tsy mba manana nofo aman-taolana, tahaka ny ahitanareo Ahy izao.


Ilay nahita no vavolombelona manambara ary azo antoka ny fijoroany ho vavolombelona, sady fantany fa milaza ny marina izy mba hinoanareo koa.


Avy eo dia hoy Izy tamin’i Tômà: –Arosoy eto ny rantsan-tananao ka jereo ny tanako roa; arosoy koa ny tananao ka atsofoy eto amin’ny foko; ary aza malain-kino, fa minoa!


Ny Ray dia manana fahefana hanome ny aina: toy izany koa no nanomezany fahefana ny Zanaka hanome ny aina.


Fa novalian’i Jesoa hoe: –Lazaiko marina dia marina aminareo fa tsy mbola ary i Abrahama, dia «Izaho no Ilay hatrizay ka ho mandrakizay»!


Porofo maro no nentin’i Jesoa nanambara tena fa velona Izy taorian’ny nahafatesany: niseho tamin’ny apôstôly Izy nandritra ny efapolo andro sady nidinidinika taminy momba ny Fanjakàn’Andriamanitra.


raha izahay, tsy azonay atao ny tsy hiteny momba izay efa hitanay sy renay.


ka hataontsika ahoana no fandositra, raha tsy raharahaintsika ny famonjen-dehibe toy izany? Ny Tompo mihitsy no efa nitory voalohany izany famonjena izany, ary nohamafisin’ireo izay nandre mba ho fanasoavana antsika.


Ary izahay efa nahita ka dia vavolombelona manambara fa naniraka ny Zanany ho Mpamonjy an’izao tontolo izao ny Ray.


Fa ankehitriny, telo no vavolombelona manambara:


nanao hoe: –Izay zavatra hitanao dia soraty ho boky ka ampitondray any amin’ny Fiangonana fito: dia any Efeso, Smirna, Pergàmo, Tiatira, Sardy, Filadelfia, ary Laôdisia.


«Izaho no Alfa sy Ômega», hoy ny Tompo Andriamanitra, Ilay ankehitriny sy taloha ary ho avy, ilay Tsitoha.


Miakanjo akanjo voahosin-dra Izy; ary ny anarany dia natao hoe: «ilay Tenin’Andriamanitra.»


«Izao no lazain’ilay Voalohany sady Farany, Izay efa maty nefa velona indray:


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra