Avy eo dia teraka indray ilay zaza misy kofehy mena tamin’ny sandriny ka nataon’i Joda hoe Zera na Fiposahana ny anarany.
1Tantara 9:6 - DIEM PROTESTANTA avy tamin’ny terak’i Zerà, dia i Jehiela. Ireo mbamin’ny havany rehetra dia nisy 690 tao Jerosalema. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Tamin’ny taranak’i Zera dia i Jeoela sy ny rahalahiny, sivifolo sy eninjato. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara avy tamin’ny terak’i Zerà, dia i Jehiela. Ireo mbamin’ny havany rehetra dia nisy 690 tao Jerosalema. Baiboly Katolika Ny tamin’ny taranak’i Zarà: i Jehoela sy ny rahalahiny, 690 izy. Baiboly Protestanta Malagasy Ary tamin’ny taranak’i Zera dia Jeoela sy ny rahalahiny, dia sivi-folo amby enin-jato. Malagasy Bible Ary tamin'ny taranak'i Zera dia Jeoela sy ny rahalahiny, dia sivi-folo amby enin-jato. La Bible en Malgache Tamin’ny taranak’i Zera dia i Jeoela sy ny rahalahiny, sivifolo sy eninjato. |
Avy eo dia teraka indray ilay zaza misy kofehy mena tamin’ny sandriny ka nataon’i Joda hoe Zera na Fiposahana ny anarany.
I Joda sy ireo zanany lahy, dia i Selà sy i Peretsa ary i Zera; fa ny zanany roa lahy, i Hera sy i Onàna, dia efa maty tany amin’ny tany Kanahàna. Ary ny zanakalahin’i Peretsa dia i Hetsirôna sy i Hamola.
I Tamàra vinantovavin’i Joda kosa niterahany an’i Peretsa sy i Zera; noho izany, dia dimy ny zanakalahin’i Joda rehetra.
Ny zanakalahin’i Zera dia i Zimrỳ sy i Etàna, i Hemàna sy i Kalkôla ary i Darà: dimy izy rehetra.
Tamin’ny taranak’i Benjamîna: dia i Salò zanakalahin’i Mesolama sy zafin’i Hôdavià ary zafiafin’i Senoà;