I Mehônôtahy no ray niteraka an’i Hôfrà; ary i Seraià no ray niteraka an’i Jôaba razamben’ny ao Geharasima na hoe Lohasahan’ny mpiasa, fa mpiasa izy ireo.
1Tantara 4:15 - DIEM PROTESTANTA Ireo zanakalahin’i Kaleba zanakalahin’i Jefonè dia i Hiro sy Elà ary i Nahama; ary ny zanakalahin’i Elà dia i Kenaza. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ny zanakalahin’i Kaleba, zanakalahin’i Jefone, dia Iro sy i Elaha ary i Nama; ny zanakalahin’i Elaha dia i Kenaza. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ireo zanakalahin’i Kaleba zanakalahin’i Jefonè dia i Hiro sy Elà ary i Nahama; ary ny zanakalahin’i Elà dia i Kenaza. Baiboly Katolika Zanaka lahin’i Kaleba, zanak’i Jefone: i Hira, i Elà, ary i Nahama. Zanaka lahin’i Elà: i Seneza. Baiboly Protestanta Malagasy Ary ny zanakalahin’i Kaleba, zanakalahin’i Jefone, dia Iro sy Elaha sy Nama; ary ny zanakalahin’i Elaha dia Kenaza. Malagasy Bible Ary ny zanakalahin'i Kaleba, zanakalahin'i Jefone, dia Iro sy Elaha sy Nama; ary ny zanakalahin'i Elaha dia Kenaza. La Bible en Malgache Ny zanakalahin’i Kaleba, zanakalahin’i Jefone, dia Iro sy i Elaha ary i Nama; ny zanakalahin’i Elaha dia i Kenaza. |
I Mehônôtahy no ray niteraka an’i Hôfrà; ary i Seraià no ray niteraka an’i Jôaba razamben’ny ao Geharasima na hoe Lohasahan’ny mpiasa, fa mpiasa izy ireo.
Nampanginin’i Kaleba ny vahoaka izay nimonomonona tamin’i Mosesy ka nataony hoe: –Aoka hiakarantsika ny tany ka halaintsika fa haharesy azy tokoa isika.
Fa i Kaleba mpanompoko, izay nanam-panahy hafa ka tsy nisalasala nanaraka Ahy, dia hampidiriko any amin’ny tany efa nalehany; ary hahazo izany tany izany ny taranany,
Mianiana Aho fa tsy hisy hiditra amin’ny tany izay efa nampanantenaiko hamponenana anareo ianareo, afa-tsy i Kaleba zanakalahin’i Jefonè sy i Josoa zanakalahin’i Nona;