Nolavin’i Davida ny hamindra ny Vatamasin’ny TOMPO ho any aminy, any an-tanànan’i Davida; fa naviliny kosa izany ho ao an-tranon’i Hôbeda-Edôma, lehilahy avy any Gàta.
1Tantara 26:4 - DIEM PROTESTANTA Ny an’i Hôbeda-Edôma dia nisy valo lahy ny zanany: i Semahià lahimatoa, i Jôzabada lahiaivo, i Jôà fahatelo, i Sakara fahefatra, i Natanaela fahadimy, Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ny zanakalahin’i Obeda-Edoma dia i Semaia, lahimatoa; i Jozabada, lahiaivo; i Joa, fahatelo; i Sakara, fahefatra; i Netanela, fahadimy; Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ny an’i Hôbeda-Edôma dia nisy valo lahy ny zanany: i Semahià lahimatoa, i Jôzabada lahiaivo, i Jôà fahatelo, i Sakara fahefatra, i Natanaela fahadimy, Baiboly Katolika Zanaka lahin’i Obededôma: i Semeiàsa lahimatoa, i Jôzabada faharoa, i Jôahà fahatelo, i Sakara fahefatra, i Natanaely fahadimy, Baiboly Protestanta Malagasy Ary ny zanakalahin’i Obed-edoma dia Semaia, lahimatoa, sy Jozabada, lahiaivo, sy Joa, fahatelo, sy Sakara, fahefatra, sy Netanela, fahadimy, Malagasy Bible Ary ny zanakalahin'i Obed-edoma dia Semaia, lahimatoa, sy Jozabada, lahiaivo, sy Joa, fahatelo, sy Sakara, fahefatra, sy Netanela, fahadimy, La Bible en Malgache Ny zanakalahin’i Obeda-Edoma dia i Semaia, lahimatoa; i Jozabada, lahiaivo; i Joa, fahatelo; i Sakara, fahefatra; i Netanela, fahadimy; |
Nolavin’i Davida ny hamindra ny Vatamasin’ny TOMPO ho any aminy, any an-tanànan’i Davida; fa naviliny kosa izany ho ao an-tranon’i Hôbeda-Edôma, lehilahy avy any Gàta.
Telo volana no nipetrahan’ny Vatamasin’ny TOMPO tao an-tranon’io Hôbeda-Edôma avy any Gata io; ary dia notahîn’ny TOMPO i Hôbeda-Edôma sy ny ankohonany manontolo.
Nisy nilaza tamin’i Davida mpanjaka fa ny TOMPO efa nitahy ny ankohonan’i Hôbeda-Edôma sy izay nananany rehetra noho ny amin’ny Vatamasin’Andriamanitra. Dia niainga i Davida nampakatra ny Vatamasin’Andriamanitra avy tao an-tranon’i Hôbeda-Edôma ho any an-tanànan’i Davida.
Telo volana no nipetrahan’ny vatamasin’Andriamanitra niaraka tamin’ny ankohonan’i Hôbeda-Edôma, tanaty efitrano voatokana ho azy; ary dia notahîn’ny TOMPO ny ankohonan’i Hôbeda-Edôma sy izay rehetra fananany.
Miaraka amin’izy telo lahy, amin’ny laharana faharoa, ireto mpiandry vavahady namany ireto: dia i Zakarià zanakalahin’i..., i Jahaziela sy i Semiramôta, i Jehiela sy i Honỳ, i Eliaba sy i Benaià, i Mahaseià sy i Matitià, i Elifalà sy i Mikneià, i Hôbeda-Edôma sy i Jehiela ary i Hazazià.
i Matitià sy i Elifalà, i Mikneià sy i Hôbeda-Edôma ary i Jehiela sy i Hazazià kosa no nitendry tamin’ny lokanga ireo gadom-peo ambany mba hanaingàn-kira.
toraka izany koa i Hôbeda-Edôma sy i Jehià mpiandry vavahady. Ary ireto mpisorona ireto kosa, dia i Sebanià sy i Jôsafata, i Natanaela sy i Hamasay mbamin’i Zakarià sy i Benaià ary i Elihezera, no nitsoka trompetra teo alohan’ny Vatamasin’Andriamanitra.
nanankinany adidy koa ry i Hôbeda-Edôma sy ny namany 68 lahy, sy ilay Hôbeda-Edôma zanakalahin’i Jeditòna, ary i Hôsà mba ho mpiandry vavahady.
I Asafa no filohany, ary i Zakarià no lefitra. I Jahaziela sy i Semiramôta, i Jehiela sy i Matitià, i Eliaba sy i Benaià ary i Hôbeda-Edôma sy i Jehiela no nitendry ny valiha sy ny lokanga; fa i Asafa no nively ny kipantsona.
i Hamiela fahenina, i Jisakara fahafito, i Peholetahy faralahy; fa Andriamanitra efa nitahy an’i Hôbeda-Edôma.