Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




1Tantara 15:24 - DIEM PROTESTANTA

24 toraka izany koa i Hôbeda-Edôma sy i Jehià mpiandry vavahady. Ary ireto mpisorona ireto kosa, dia i Sebanià sy i Jôsafata, i Natanaela sy i Hamasay mbamin’i Zakarià sy i Benaià ary i Elihezera, no nitsoka trompetra teo alohan’ny Vatamasin’Andriamanitra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

24 I Sebania, i Josafata, i Netanela, i Amasay, i Zakaria, i Benaia ary i Eliezera, izay samy mpisorona, no nitsoka ny trompetra teo alohan’ny vata misy ny faneken’Andriamanitra; i Obeda-Edoma sy i Jehia kosa no mpiandry varavarana amin’ny vata misy ny Fanekena.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

24 toraka izany koa i Hôbeda-Edôma sy i Jehià mpiandry vavahady. Ary ireto mpisorona ireto kosa, dia i Sebanià sy i Jôsafata, i Natanaela sy i Hamasay mbamin’i Zakarià sy i Benaià ary i Elihezera, no nitsoka trompetra teo alohan’ny Vatamasin’Andriamanitra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

24 I Sebeniasa, i Jôsafata, i Natanaely, i Amasa, i Zakaria, i Banaiasa, ary i Eleazara mpisorona, no nitsoka anjomara teo alohan’ny Fiaran’Andriamanitra, i Obededôma sy i Jehiasa no mpiandry varavarana teo akaikin’ny Fiara.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

24 Ary Sebania sy Josafata sy Netanela sy Amasay sy Zakaria sy Benaia ary Eliezera, izay samy mpisorona, no nitsoka ny trompetra teo alohan’ny fiaran’Andriamanitra; ary Obed-edoma sy Jehia koa no mpiandry varavarana amin’ny fiara.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

24 Ary Sebania sy Josafata sy Netanela sy Amasay sy Zakaria sy Benaia ary Eliezera, izay samy mpisorona, no nitsoka ny trompetra teo alohan'ny fiaran'Andriamanitra, ary Obed-edoma sy Jehia koa no mpiandry varavarana amin'ny fiara.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

24 I Sebania, i Josafata, i Netanela, i Amasay, i Zakaria, i Benaia ary i Eliezera, izay samy mpisorona, no nitsoka ny trompetra teo alohan’ny vata misy ny faneken’Andriamanitra; i Obeda-Edoma sy i Jehia kosa no mpiandry varavarana amin’ny vata misy ny Fanekena.

Jereo ny toko dika mitovy




1Tantara 15:24
12 Rohy Ifampitohizana  

Nolavin’i Davida ny hamindra ny Vatamasin’ny TOMPO ho any aminy, any an-tanànan’i Davida; fa naviliny kosa izany ho ao an-tranon’i Hôbeda-Edôma, lehilahy avy any Gàta.


Miaraka amin’izy telo lahy, amin’ny laharana faharoa, ireto mpiandry vavahady namany ireto: dia i Zakarià zanakalahin’i..., i Jahaziela sy i Semiramôta, i Jehiela sy i Honỳ, i Eliaba sy i Benaià, i Mahaseià sy i Matitià, i Elifalà sy i Mikneià, i Hôbeda-Edôma sy i Jehiela ary i Hazazià.


I Berekià sy i Elkanà mpiandry vavahady no teo anilan’ny Vatamasina;


I Israely lafy valo no nampakatra ny Vatamasina mirakitra ny fanekempihavanan’ny TOMPO ho any Jerosalema; ka tamin’ny horakora-pifaliana, ombàn’ny feon’anjombona aman-trompetra sy kipantsona miaraka amin’ny tendry valiha sy lokanga, no nampakarany azy.


I Benaià sy i Elihezera mpisorona kosa no mpitsoka ny trompetra mandrakariva eo anoloan’ny Vatamasina mirakitra ny fanekempihavanan’Andriamanitra.


Ny an’i Hôbeda-Edôma dia nisy valo lahy ny zanany: i Semahià lahimatoa, i Jôzabada lahiaivo, i Jôà fahatelo, i Sakara fahefatra, i Natanaela fahadimy,


koa navelako izy hizotra amin’ny ditran’ny fony sy hanaraka izay tiany hatao.


Amin’izany andro izany, dia hanakoako ny feon’ny anjomara lehibe; ka ho tonga avokoa ireo very tany Asiria na ireo tafaely tany Ejipta mba hiankohoka eo anatrehan’ny TOMPO ao an-tendrombohitra masina any Jerosalema.


Tsofy ny trompetra ary asio antso fanairana, ao Tsiôna tendrombohitro masina. Mangovita ianareo mponina rehetra eto amin’ity tany ity, fa avy ny andron’ny TOMPO; eny, efa akaiky izany.


Tsofy ao Tsiôna ny anjomara, manokàna andro fifadian-kanina, ary miantsoa fivoriambe.


«Ireo mpisorona taranak’i Aharôna ihany no hitsoka ny trômpetra; lalàna raikitra ho anareo sy ny taranakareo izany.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra