1Tantara 15:25 - DIEM PROTESTANTA25 Feno fifaliana i Davida sy ny loholon’i Israely mbamin’ny komandin-tafika mifehy arivo no nandeha hampakatra ny Vatamasina mirakitra ny fanekempihavanan’ny TOMPO, avy ao an-tranon’i Hôbeda-Edôma. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 201125 I Davida sy ny loholon’ny Israely mbamin’ny mpifehy arivo no nandeha hampiakatra amim-pifaliana ny vata misy ny faneken’NY TOMPO avy tao an-tranon’i Obeda-Edoma. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara25 Feno fifaliana i Davida sy ny loholon’i Israely mbamin’ny komandin-tafika mifehy arivo no nandeha hampakatra ny Vatamasina mirakitra ny fanekempihavanan’ny TOMPO, avy ao an-tranon’i Hôbeda-Edôma. Jereo ny tokoBaiboly Katolika25 Dia niainga i Davida sy ny loholon’i Israely ary ny tomponarivo, hampiakatra ny fiaran’ny faneken’i Iaveh tao an-tranon’i Obededôma tamin’ny fifaliana. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy25 Ary Davida sy ny loholon’ny Isiraely mbamin’ny mpifehy arivo no nandeha hampakatra ny fiaran’ny faneken’i Jehovah avy tao an-tranon’i Obed-edoma tamin’ny fifaliana. Jereo ny tokoMalagasy Bible25 Ary Davida sy ny loholon'ny Isiraely mbamin'ny mpifehy arivo no nandeha hampakatra ny fiaran'ny faneken'i Jehovah avy tao an-tranon'i Obed-edoma tamin'ny fifaliana. Jereo ny tokoLa Bible en Malgache25 I Davida sy ny loholon’ny Israely mbamin’ny mpifehy arivo no nandeha hampiakatra amim-pifaliana ny vata misy ny faneken’NY TOMPO avy tao an-tranon’i Obeda-Edoma. Jereo ny toko |
Fa eo anoloan’ny Toeramasina, ao amin’ny faritra nofidian’ilay TOMPO Andriamanitrareo, no hihinana izany ianareo mbamin’ny zanakareo sy ny mpanomponareo ary koa ny Levita izay ao an-tanànanareo; eny, hifaly eo anoloan’ny Toeramasin’ilay TOMPO Andriamanitrareo ianareo amin’izay fiharian-karena rehetra nataonareo.
Hankany amin’ny toerana izay hofidin’ny TOMPO Andriamanitrareo hipetrahan’ny voninahiny ianareo, ary hifaly eo anatrehan’ilay Toeramasin’ny TOMPO Andriamanitrareo ny tenanareo sy ny zanakareo ary ny mpanomponareo mbamin’ny Levita izay ao an-tanànanareo ary koa ny vahiny sy kamboty ary mpitondratena izay eo anivonareo.