Nanao antsapaka izy rehetra, na ny kely na ny lehibe, araka ny fianakaviany, ny amin’ny vavahady tsirairay avy.
1Tantara 26:14 - DIEM PROTESTANTA Ny amin’ny vavahady atsinanana, dia azon’i Selemià ny antsapaka. Ny amin’ny vavahady avaratra, dia i Zakarià zanany, izay mpanolotsaina hendry, no niantefan’ny antsapaka natao. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ny azon’i Selemia tamin’ny antsapaka dia ny ilany atsinanana. Ary natao koa ny antsapaka ho an’i Zakaria zanany izay mpanolotsaina hendry, koa ny azony dia ny ilany avaratra. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ny amin’ny vavahady atsinanana, dia azon’i Selemià ny antsapaka. Ny amin’ny vavahady avaratra, dia i Zakarià zanany, izay mpanolotsaina hendry, no niantefan’ny antsapaka natao. Baiboly Katolika Ka azon’i Selemiasa ny loka ny amin’ny lafiny atsinanana. Dia natao ny loka ho an’i Zakariasa zanany izay mpanolo-tsaina hendry, ka ny amin’ny lafiny avaratra no azony. Baiboly Protestanta Malagasy Koa ny loka tamin’ny atsinanana dia azon’i Selemia. Ary nanaovana filokana Zakaria zanany, mpanolo-tsaina hendry, ka ny loka tamin’ny avaratra no azony. Malagasy Bible Koa ny loka tamin'ny atsinanana dia azon'i Selemia. Ary nanaovana filokana Zakaria zanany, mpanolo-tsaina hendry, ka ny loka tamin'ny avaratra no azony. La Bible en Malgache Ny azon’i Selemia tamin’ny antsapaka dia ny ilany atsinanana. Ary natao koa ny antsapaka ho an’i Zakaria zanany izay mpanolotsaina hendry, koa ny azony dia ny ilany avaratra. |
Nanao antsapaka izy rehetra, na ny kely na ny lehibe, araka ny fianakaviany, ny amin’ny vavahady tsirairay avy.
Ny amin’ny vavahady atsimo, dia azon’i Hôbeda-Edôma, ary ny amin’ny trano fitahirizana entana, dia azon’ireo zanany.
Ny an’i Meselemià dia nisy 18 lahy ny zanany sy ny havany no mpiandry vavahady: samy olom-banona avokoa.
Ary i Zakarià, zanakalahin’i Meselemià, dia isan’ireo mpiandry ilay varavaran’ny Tranolay fihaonana.
Izy efa-dahy filohan’ny mpiandry vavahady no nanankinana ny vavahady efatra, dia teo atsinanana sy andrefana ary teo avaratra sy atsimo;
Ilay levita atao hoe Kôrà, zanakalahin’i Jimnà sady mpiandry ny varavarana atsinanana, no nisahana ny fanati-tsitrapo ho an’Andriamanitra ary nizara ny zavatra navahana ho an’ny TOMPO sy ny zava-masina indrindra.
Ka dia nirahiko ry i Elihezera sy i Ariela, i Semahià, i Elnatàna, i Jariba sy i Elnatàna, i Natàna sy i Zakarià ary i Mesolama izay samy loham-pianakaviana, mbamin’i Jôiariba sy i Elnatàna izay samy mpivaofy lalàna;