Tamin’ireo zanak’i Elihezera dia i Rehabià no loham-pianakaviana, sady tsy nanan-janakalahy hafa i Elihezera; kanefa maro dia maro ny zanakalahin’i Rehabià.
1Tantara 23:18 - DIEM PROTESTANTA Tamin’ny zanakalahin’i Jitsehara dia i Selomôta no loham-pianakaviana. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Tamin’ny zanakalahin’i Jizara dia i Selomota no lohany. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Tamin’ny zanakalahin’i Jitsehara dia i Selomôta no loham-pianakaviana. Baiboly Katolika Zanaka lahin’i Isaara: i Salômita filohany. Baiboly Protestanta Malagasy Tamin’ny zanakalahin’i Jizara dia Selomota no lohany. Malagasy Bible Tamin'ny zanakalahin'i Jizara dia Selomota no lohany. La Bible en Malgache Tamin’ny zanakalahin’i Jizara dia i Selomota no lohany. |
Tamin’ireo zanak’i Elihezera dia i Rehabià no loham-pianakaviana, sady tsy nanan-janakalahy hafa i Elihezera; kanefa maro dia maro ny zanakalahin’i Rehabià.
Ny zanakalahin’i Hebrôna dia i Jerià no lahimatoa, i Amarià no lahiaivo, i Jahaziela no fahatelo, ary i Jekamehama no fahefatra.
Tamin’ny zanakalahin’i Jitsehara dia i Selômôta; ary tamin’ny zanakalahin’i Selômôta dia i Jahata.
Io Selômôta io sy ny havany no mpiandraikitra ny zavatra sarobidy voatokana ho an’Andriamanitra, dia ireo zavatra natokan’i Davida mpanjaka sy ireo loham-pianakaviany ary ny komandin-tafika mpifehy arivo sy mpifehy zato.
Ny zanakalahin’i Kehata dia i Hamrama, i Jitsehara, i Hebrôna ary i Hoziela. Naharitra telo amby telopolo amby zato taona ny andro niainan’i Kehata.