Naniraka olona hankany amin’i Davida i Hirama mpanjakan’i Tiro mba hitondra hazo sedera sy mpandrafitra ary mpipai-bato. Dia nanangana trano ho an’i Davida ireo.
1Tantara 22:2 - DIEM PROTESTANTA Nasain’i Davida novorina ny olona hafa firenena nonina teo amin’ny tanin’i Israely, ka nanendreny tambato hipai-bato hanaovana ny tranon’Andriamanitra. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary nasain’i Davida novorina ny olona hafa firenena izay tany amin’ny tanin’ny Israely ka nanendreny tambato hipai-bato hanaovana ny tranon’Andriamanitra. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Nasain’i Davida novorina ny olona hafa firenena nonina teo amin’ny tanin’i Israely, ka nanendreny tambato hipai-bato hanaovana ny tranon’Andriamanitra. Baiboly Katolika Dia nasain’i Davida novorina ny vahiny teo amin’ny tanin’i Israely, ka nanendry tambato hipai-bato, hanaovana ny tranon’Andriamanitra izy. Baiboly Protestanta Malagasy ARY nasain’i Davida novorina ny olona hafa firenena izay tany amin’ny tanin’ny Isiraely, ka nanendreny tambato hipai-bato hanaovana ny tranon’Andriamanitra. Malagasy Bible Ary nasain'i Davida novorina ny olona hafa firenena izay tany amin'ny tanin'ny Isiraely, ka nanendreny tambato hipai-bato hanaovana ny tranon'Andriamanitra. La Bible en Malgache Ary nasain’i Davida novorina ny olona hafa firenena izay tany amin’ny tanin’ny Israely ka nanendreny tambato hipai-bato hanaovana ny tranon’Andriamanitra. |
Naniraka olona hankany amin’i Davida i Hirama mpanjakan’i Tiro mba hitondra hazo sedera sy mpandrafitra ary mpipai-bato. Dia nanangana trano ho an’i Davida ireo.
Tamin’ny fanaovana ny tempoly, dia vato voapaika avy tany amin’ny fihadiam-bato no nampiasaina, hany ka tsy nandrenesana feon-tantanana na fandraka na fiasana vy hafa tao amin’ny tempoly.
Rehefa voaisa ny vola, dia natolony ny mpiandraikitra ny tranon’ny TOMPO izay nampiasa izany hanakaramana ny mpandrafitra sy ny mpanao mari-trano niasa tao an-tranon’ny Tompo
Nandefa iraka ho any amin’i Davida i Hirama mpanjakan’i Tiro, sady nandefa hazo sedera sy mpipai-bato ary mpandrafitra hazo mba hanao lapa ho azy.
Dia hoy i Davida mpanjaka tamin’ny olona rehetra tafangona teo: –I Salômôna zanako, ilay hany nofidin’Andriamanitra, dia mbola tanora sady tsy za-draharaha; nefa goavana ny asa hatao, satria tsy lapa ho an’olombelona fa tempoly ho an’ny TOMPO Andriamanitra.
Dia nisain’i Salômôna avokoa ny lehilahy hafa firenena izay nonina tao amin’ny tanin’i Israely; araka ny nanisan’i Davida rainy azy, dia nisy 153 000 izy ireo.
Ka ny 70 000 dia nataon’i Salômôna mpitondra entana, ny 80 000 nataony mpipai-bato teny an-tendrombohitra, ary ny 3 600 nataony mpifehy ireo mpiasa ireo.
Dia nomeny vola ny mpipai-bato sy ny mpandrafitra; nomeny hanina amam-pisotro sy menaka ny Tirianina sy ny Tsidônianina mba hitondra hazo sedera avy any Libano ka hitatitra azy an-dranomasina hatrany Jafao. Araka ny fanomezan-dàlana nomen’i Kirôsa amperôran’i Persia no nanaovan’ny Israelita izany.
lavitra an’i Kristy ianareo tamin’izany andro izany; tsy mba navela ho anisan’ilay firenena Israely voafidin’Andriamanitra; tsy mba tao anatin’ireo fanekempihavanana izay niorina tamin’ny fampanantenàn’Andriamanitra; velona teto amin’izao tontolo izao ianareo, kanefa sady tsy nanan-kantenaina no tsy nanana an’Andriamanitra.