Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




2Tantara 2:17 - DIEM PROTESTANTA

17 Ka ny 70 000 dia nataon’i Salômôna mpitondra entana, ny 80 000 nataony mpipai-bato teny an-tendrombohitra, ary ny 3 600 nataony mpifehy ireo mpiasa ireo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

17 Ny fito alina tamin’ireo dia nataony mpitondra entana, ny valo alina dia nataony mpikapa hazo any an-tendrombohitra, ary ny eninjato sy telo arivo dia nataony mpifehy hampiasa ny olona.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

17 Ka ny 70 000 dia nataon’i Salômôna mpitondra entana, ny 80 000 nataony mpipai-bato teny an-tendrombohitra, ary ny 3 600 nataony mpifehy ireo mpiasa ireo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

17 Ka nalainy tamin’ireo ny 70.000 hitondra entana, ny 80.000 hipai-bato eny an-tendrombohitra, ary ny 3.600 nataony mpitandrina hampiasa ny vahoaka.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

17 Ary ny fito alina tamin’ireo dia nataony mpitondra entana, ary ny valo alina nataony mpikapa hazo eny an-tendrombohitra, ary ny enin-jato amby telo arivo nataony mpifehy hampiasa ny olona.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

17 Ary ny fito alina tamin'ireo dia nataony mpitondra entana, ary ny valo alina nataony mpikapa hazo eny an-tendrombohitra, ary ny enin-jato amby telo arivo nataony mpifehy hampiasa ny olona.

Jereo ny toko dika mitovy




2Tantara 2:17
5 Rohy Ifampitohizana  

Nasain’i Davida novorina ny olona hafa firenena nonina teo amin’ny tanin’i Israely, ka nanendreny tambato hipai-bato hanaovana ny tranon’Andriamanitra.


Naniraka olona hankany amin’i Hirama mpanjakan’i Tiro i Salômôna hanao hoe: «Tahaka ny nataonao tamin’i Davida raiko, izay nampanateranao hazo sedera hanaovany trano fonenana, no aoka hataonao amiko.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra