Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




2Tantara 2:16 - DIEM PROTESTANTA

16 Dia nisain’i Salômôna avokoa ny lehilahy hafa firenena izay nonina tao amin’ny tanin’i Israely; araka ny nanisan’i Davida rainy azy, dia nisy 153 000 izy ireo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

16 Nanisa ny lehilahy hafa firenena rehetra izay nonina tamin’ny tanin’ny Israely araka ny nanisan’i Davida rainy azy i Solomona, ary ny isany dia eninjato sy telo arivo sy dimy alina sy iray hetsy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

16 Dia nisain’i Salômôna avokoa ny lehilahy hafa firenena izay nonina tao amin’ny tanin’i Israely; araka ny nanisan’i Davida rainy azy, dia nisy 153 000 izy ireo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

16 Ary nisain’i Salômôna araka ny nanisan’i Davida rainy azy, ny lehilahy hafa firenena rehetra teo amin’ny tanin’i Israely: dia nisy 153.600 ny isany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

16 Ary Solomona nanisa ny lehilahy hafa firenena rehetra izay nonina tamin’ny tanin’ny Isiraely araka ny nanisan’i Davida rainy azy, ary ny isany dia enin-jato amby telo arivo amby dimy alina sy iray hetsy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

16 Ary Solomona nanisa ny lehilahy hafa firenena rehetra izay nonina tamin'ny tanin'ny Isiraely araka ny nanisan'i Davida rainy Lzy, ary ny isany dia enin-jato amby telo arivo amby dimy alina sy iray hetsy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

16 Nanisa ny lehilahy hafa firenena rehetra izay nonina tamin’ny tanin’ny Israely araka ny nanisan’i Davida rainy azy i Solomona, ary ny isany dia eninjato sy telo arivo sy dimy alina sy iray hetsy.

Jereo ny toko dika mitovy




2Tantara 2:16
15 Rohy Ifampitohizana  

Nasain’i Davida novorina ny olona hafa firenena nonina teo amin’ny tanin’i Israely, ka nanendreny tambato hipai-bato hanaovana ny tranon’Andriamanitra.


Faly ny besinimaro niangona teo; dia ny Jodeanina sy ny mpisorona mbamin’ny levita ary koa izay rehetra anisan’ny Israelita tavaratra na ireo nivahiny ho an’ny fety na ireo nonina tao Joda.


Mbola nisy sisa tavela teo amin’ny tany ireo antokon’olona isan-karazany, dia ny Hetita sy Amôrita mbamin’ny Perizita sy Hivita ary Jebosita, izay samy tsy anisan’ny Israelita.


Mbola nisy tavela teo tokoa ny taranak’ireo fa tsy naringan’ny Israelita, ka dia nampanaovin’i Salômôna asa fanompoana izay tohiziny mandraka androany.


Dia nomeny vola ny mpipai-bato sy ny mpandrafitra; nomeny hanina amam-pisotro sy menaka ny Tirianina sy ny Tsidônianina mba hitondra hazo sedera avy any Libano ka hitatitra azy an-dranomasina hatrany Jafao. Araka ny fanomezan-dàlana nomen’i Kirôsa amperôran’i Persia no nanaovan’ny Israelita izany.


Nefa niainga handositra ho any Tarsîsy hanalavitra ny TOMPO i Jônà. Nankany Jafao izy ka nahita sambo vonona ho any Tarsîsy. Naloany ny saran-dalana, dia niondrana niaraka tamin’ny tantsambo rehetra izy ary nihevitra ny hanalavitra ny TOMPO.


Izy no naharian’Andriamanitra ny zavatra rehetra, ka raha tsy teo Izy dia tsy nisy ary ny zavatra noarîna.


Noho izany, mandefasa olona ho any Jôpa haka an’i Simôna, izay antsoina koa hoe Petera. Ny iantranoany dia ao amin’i Simôna mpandon-koditra, eo amoron-dranomasina.»


Tany Jôpa dia nisy vehivavy mpianatra atao hoe Tabità (na «Dôrkasy» amin’ny teny grika izany hoe gazela). Be tokoa ny asa soa amam-piantrana vitany.


Tanàna akaikin’i Jôpa moa i Lida; ka nony henon’ny mpianatra tao Jôpa fa hoe any Lida i Petera, dia nandefa iraka roa lahy ry zareo mba hiangavy azy hoe: «Tongava faingana atỳ aminay.»


Tonga fantatr’i Jôpa iray vohitra izany ka olona maro no nino ny Tompo.


Nitoetra naharitraritra tao Jôpa i Petera, tao an-tranon’ny mpandon-koditra atao hoe Simôna.


ary i Rakôna; ao koa ny ranon’i Jarkôna sy ny tany manodidina an’i Jafao.


Tamin’izany andro izany koa no nanolorany azy ho mpaka kitay sy ho mpantsaka rano ho an’ny Israelita sy ho an’ny alitaran’ny TOMPO eo amin’ny toerana izay hofidin’Izy TOMPO. Ary mbola manohy izany raharaha izany mandraka androany ry zareo.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra