Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




1Tantara 29:1 - DIEM PROTESTANTA

1 Dia hoy i Davida mpanjaka tamin’ny olona rehetra tafangona teo: –I Salômôna zanako, ilay hany nofidin’Andriamanitra, dia mbola tanora sady tsy za-draharaha; nefa goavana ny asa hatao, satria tsy lapa ho an’olombelona fa tempoly ho an’ny TOMPO Andriamanitra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

1 Ary hoy i Davida mpanjaka tamin’ny fiangonana rehetra: I Solomona zanako, ilay nofidin’Andriamanitra, dia mbola tanora sy marefo; nefa lehibe ny asa, fa tsy ho an’olona ny lapa fa ho an’NY TOMPO Andriamanitra.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

1 Dia hoy i Davida mpanjaka tamin’ny olona rehetra tafangona teo: –I Salômôna zanako, ilay hany nofidin’Andriamanitra, dia mbola tanora sady tsy za-draharaha; nefa goavana ny asa hatao, satria tsy lapa ho an’olombelona fa tempoly ho an’ny TOMPO Andriamanitra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

1 Ary hoy i Davida mpanjaka tamin’ny fiangonana rehetra: «I Salômôna zanako, ilay hany nofidin’Andriamanitra, dia mbola tanora sy osa, ary ny asa hatao dia lehibe, fa tsy lapa ho an’olombelona ity, fa ho an’i Iaveh Andriamanitra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

1 ARY hoy Davida mpanjaka tamin’ny fiangonana rehetra: Solomona zanako, ilay nofidin’Andriamanitra, dia mbola zaza sy tanora fanahy; nefa lehibe ny asa, fa tsy lapa ho an’olona, fa ho an’i Jehovah Andriamanitra.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

1 Ary hoy Davida mpanjaka tamin'ny fiangonana rehetra: Solomona zanako, ilay nofidin'Andriamanitra, dia mbola zaza sy tanora fanahy; nefa lehibe ny asa, fa tsy lapa ho an'olona, fa ho an'i Jehovah Andriamanitra.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

1 Ary hoy i Davida mpanjaka tamin’ny fiangonana rehetra: I Solomona zanako, ilay nofidin’Andriamanitra, dia mbola tanora sy marefo; nefa lehibe ny asa, fa tsy ho an’olona ny lapa fa ho an’NY TOMPO Andriamanitra.

Jereo ny toko dika mitovy




1Tantara 29:1
17 Rohy Ifampitohizana  

Fa izaho, na dia mpanjaka efa voahosotra aza, dia mahatsiaro ny tenako ho mbola malemy ankehitriny; ary ireo zanakalahin’i Tseroià ireo dia mahery setra loatra miohatra amiko. Ny TOMPO anie hanafay azy araka ny ratsy nataony.


Ankehitriny, ry andriamanjaka, ny vahoakan’i Israely rehetra dia miandrandra fatratra ny fanambarànao ampahibemaso ny anaran’izay hipetraka handimby anao eo amin’ny sezafiandriananao.


Ankehitriny, ry TOMPO Andriamanitro ô, efa nampanjaka ahy mpanomponao handimby an’i Davida raiko Ianao, kanefa izaho dia mbola tanora loatra ka tsy mahay mitondra akory.


Nasain’i Davida novorina ny olona hafa firenena nonina teo amin’ny tanin’i Israely, ka nanendreny tambato hipai-bato hanaovana ny tranon’Andriamanitra.


Fa hoy izy anakampony: «I Salômôna zanako mbola kely sady tanora fanahy, ary ny tempoly haorina ho an’ny TOMPO dia tsy maintsy ho lehibe tokoa mba hielezan’ny lazany sy ny voninahiny any amin’ny tany rehetra; koa hovononiko rahateo ny zavatra hoenti-manao azy.» Dia nahavonona betsaka tokoa i Davida fahavelony.


Novorin’i Davida tany Jerosalema ny lehibe rehetra tamin’ny Israely: filohan’ireo foko, lehiben’ny andian-tafika manompo ny mpanjaka, komandin-tafika mpifehy arivo na mpifehy zato, mpiandraikitra ny fananana sy biby fiompy rehetra an’ny mpanjaka sy an-janany, tandapa, lehilahy mahery, izany hoe ny manampahefana rehetra.


Indro efa nofidin’ny TOMPO ianao izao mba hanorina tempoly ho Toeramasiny; dia mahereza ka mahefà.»


Koa ankehitriny, ry havako, eto imason’ny vahoaka Israely rehetra izay fiangonan’ny TOMPO ary eto anatrehan’ilay Andriamanitsika Izay mandre antsika, dia tandremo sy diniho ny didy rehetra avy amin’ny TOMPO Andriamanitrareo mba hahatananareo ity tany ity sady hamindranareo azy amin’ny zanaka amam-paranareo ho lova maharitra mandrakizay.


ary omeo an’i Salômôna zanako ny fo vonona manontolo hitandrina ny didinao sy baikonao ka hanatanterahany azy rehetra sady hanorina ny tempoly lapanao izay efa nanomanako fitaovana.


Novorîn’i Salômôna ny Israelita rehetra, dia ny mpifehy vondro-miaramila sy mpifehy andia-miaramila ary ny mpitsara sy ireo tompon’andraikitra rehetra teo amin’i Israely, izany hoe ireo filoham-pianakaviana.


Nisy koa olom-poana, tena ratsy fanahy, tafangona teo amin’i Jerôbohama ka nampidrikina azy tamin’i Rehabohama zanakalahin’i Salômôna; fa mbola tanora sady marefo toetra i Rehabohama tamin’izay ka tsy nahatohitra azy.


Izaho koa mba zanaka mamin-draiko ary malalan-dreniko toy ny lahitokany.


Izao no lazain’ny TOMPO: Indro hovako ny anjaranareo, ry fianakavian’i Israely ka hiantrako ny tokantranonareo. Haorina indray eo amin’ny havoany. ireo tanàn-dehibe tsirairay avy ary eo amin’ny toerany taloha ireo trano tsara tarehy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra