Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




1Tantara 28:21 - DIEM PROTESTANTA

21 Indreo ny antoko-mpisorona sy levita, hanao ny fanompoana rehetra ao an-tempolin’Andriamanitra; mba hahavitana ny asa manontolo, dia miaraka aminao koa ireo olona feno risimpo sady kinga amin’ny taozavatra isan-karazany; ary ny lehibe mbamin’ny vahoaka rehetra dia hankatò ny baikonao an-tsakany sy an-davany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

21 Ary indreo, ny antokon’ny mpisorona sy ny levita dia hanao ny fanompoana rehetra ao amin’ny tranon’Andriamanitra; ao aminao koa dia misy hanampy amin’ny asa samihafa rehetra, dia ny olon-kendry izay manolo-tena mba hahavita ny fanompoana rehetra sy ny mpifehy ary ny vahoaka rehetra izay hankatò ny didinao.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

21 Indreo ny antoko-mpisorona sy levita, hanao ny fanompoana rehetra ao an-tempolin’Andriamanitra; mba hahavitana ny asa manontolo, dia miaraka aminao koa ireo olona feno risimpo sady kinga amin’ny taozavatra isan-karazany; ary ny lehibe mbamin’ny vahoaka rehetra dia hankatò ny baikonao an-tsakany sy an-davany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

21 Indreo homba anao ny antokon’ny mpisorona sy ny Levita ho amin’ny fanompoana rehetra ao an-tranon’Andriamanitra; homba anao, hahavitana izao karazan’asa rehetra izao, ireo olo-mazoto sy mahay, hanaovana ny taozavatra rehetra; ary koa ny lehibe sy ny vahoaka vonon-kanatanteraka ny didinao rehetra.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

21 Ary indreo ny antokon’ny mpisorona sy ny Levita hanao ny fanompoana rehetra ao an-tranon’Andriamanitra; ary ao aminao hanampy amin’ny asa samy hafa rehetra ny olon-kendry izay manolo-tena mba hahavita ny fanompoana rehetra sy ny mpifehy ary ny vahoaka rehetra hankatò ny didinao.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

21 Ary indreo ny antokon'ny mpisorona sy ny Levita hanao ny fanompoana rehetra ao an-tranon'Andriamanitra; ary ao aminao hanampy amin'ny asa samy hafa rehetra ny olon-kendry izay manolo-tena mba hahavita ny fanompoana rehetra sy ny mpifehy ary ny vahoaka rehetra hankatò ny didinao.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

21 Ary indreo, ny antokon’ny mpisorona sy ny levita dia hanao ny fanompoana rehetra ao amin’ny tranon’Andriamanitra; ao aminao koa dia misy hanampy amin’ny asa samihafa rehetra, dia ny olon-kendry izay manolo-tena mba hahavita ny fanompoana rehetra sy ny mpifehy ary ny vahoaka rehetra izay hankatò ny didinao.

Jereo ny toko dika mitovy




1Tantara 28:21
12 Rohy Ifampitohizana  

Io Selômôta io sy ny havany no mpiandraikitra ny zavatra sarobidy voatokana ho an’Andriamanitra, dia ireo zavatra natokan’i Davida mpanjaka sy ireo loham-pianakaviany ary ny komandin-tafika mpifehy arivo sy mpifehy zato.


Nomeny azy ny amin’ny fitsinjarana ireo mpisorona sy levita ho antokony, ny amin’ny fanompoana rehetra ho fanao ao an-tranon’ny TOMPO ary ny amin’ny fanaka rehetra ho fampiasa ao.


Miaramila voafantina no miaraka aminao amin’ny andro amorianao ny tafikao. Eny amin’ny tendrombohitra masina no hanatona Anao ireo zatovolahinao toy ny ando napoitran’ny mazavatsinanana.


ary nofenoiko ny Fanahiko mba ho tena kinga sy marani-tsaina ka mahalala ny haitao isan-karazany:


Samy nitondra ny kiran-drongony madinika sy ny volon’ondry miloko volomparasy sy mena ary jaky izay efa nofolesin’ny tanany koa ireo vehivavy kinga.


I Betsalela sy i Ôhôliaba mbamin’ireo mpahay taozavatra hafa, izay nomen’ny TOMPO fahakingana sy faharanitan-tsaina ilaina hanatanterahana ny asa, dia hanamboatra ny zavatra rehetra hampiasaina amin’ny fanompoam-pivavahana ao amin’ny Toeramasina araka izay rehetra nodidian’ny TOMPO.


Nampanantsoin’i Mosesy i Betsalela sy i Ôhôliaba mbamin’ireo mpahay taozavatra hafa, izay nomen’ny TOMPO fahakingana sady vonona hanatanteraka ny asa.


Aoka ny olona rehetra samy hanaiky ny manampahefana ara-panjakana; fa tsy misy fahefana tsy avy amin’Andriamanitra, ary ny fahefana izay misy dia voatendrin’Andriamanitra avokoa.


Ampahatsiarovy ny mpino mba hanaiky ny mpitondra sy ny manampahefana, hanoa azy ka ho vonona hanatontosa izay rehetra mety ho asa soa.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra