Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




1Tantara 29:2 - DIEM PROTESTANTA

2 Nanao izay tratry ny aiko aho namonona fitaovana ho an’ny tranon’Andriamanitro: dia ny volamena hanaovana ny fanaka volamena; ny volafotsy hanaovana ny fanaka volafotsy; ny halimo hanaovana ny fanaka halimo; ny vy hanaovana ny fanaka vy; ary hazo hanaovana fanaka hazo. Nataoko vonona ny vato berila sy vato halatsaka an-tranontranony, ny vatomainty sy vato misoratsoratra, ny vatosoa isan-karazany ary ny vatokaranana betsaka.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

2 Tamin’ny heriko rehetra no namoriako izay hanaovana ny tranon’Andriamanitro, dia ny volamena hanaovana ny fanaka volamena, ny volafotsy hanaovana ny fanaka volafotsy, ny varahina hanaovana ny fanaka varahina, ny vy hanaovana ny fanaka vy, ny hazo hanaovana ny fanaka hazo, ny vato berila sy ny vato halatsaka an-tranontranony, ny vato alatsaka miloko fotsy somary volomparasy, ny vato misoratsoratra samihafa, ny vatosoa samihafa rehetra ary ny marbra fotsy betsaka.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

2 Nanao izay tratry ny aiko aho namonona fitaovana ho an’ny tranon’Andriamanitro: dia ny volamena hanaovana ny fanaka volamena; ny volafotsy hanaovana ny fanaka volafotsy; ny halimo hanaovana ny fanaka halimo; ny vy hanaovana ny fanaka vy; ary hazo hanaovana fanaka hazo. Nataoko vonona ny vato berila sy vato halatsaka an-tranontranony, ny vatomainty sy vato misoratsoratra, ny vatosoa isan-karazany ary ny vatokaranana betsaka.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

2 Nanao izay tratry ny aiko aho namonona izay hanaovana ny tranon’Andriamanitra, dia volamena hanaovana ny fanaka volamena, volafotsy hanaovana ny fanaka volafotsy, varahina hanaovana ny fanaka varahina, vy hanaovana ny fanaka vy, hazo hanaovana ny fanaka hazo, vato berila sy vato fandatsaka an-tranontranony, vato fanao ravaka sy samihafa volo, vato soa isan-karazany, ary vato marbra ankabetsahany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

2 Ary tamin’ny heriko rehetra no namoriako izay hanaovana ny tranon’Andriamanitra, dia ny volamena hanaovana ny fanaka volamena, ary ny volafotsy hanaovana ny fanaka volafotsy, ary ny varahina hanaovana ny fanaka varahina, ary ny vy hanaovana ny fanaka vy, ary ny hazo hanaovana ny fanaka hazo, ary ny vato beryla sy ny vato halatsaka an-tranontranony ary ny vato alatsaka asiana antimony sy ny vato misoratsoratra ary ny vato soa samy hafa rehetra ary ny vatosanga betsaka.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

2 Ary tamin'ny heriko rehetra no namoriako izay hanaovana ny tranon'Andriamanitra, dia ny volamena hanaovana ny fanaka volamena, ary ny volafotsy hanaovana ny fanaka volafotsy, ary ny varahina hanaovana ny fanaka varahina, ary ny vy hanaovana ny fanaka vy, ary ny hazo hanaovana ny fanaka hazo, ary ny vato beryla sy ny vato halatsaka an-tranontranony ary ny vato alatsaka asiana antimony sy ny vato misoratsoratra ary ny vato soa samy hafa rehetra ary ny vatosanga betsaka.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

2 Tamin’ny heriko rehetra no namoriako izay hanaovana ny tranon’Andriamanitro, dia ny volamena hanaovana ny fanaka volamena, ny volafotsy hanaovana ny fanaka volafotsy, ny varahina hanaovana ny fanaka varahina, ny vy hanaovana ny fanaka vy, ny hazo hanaovana ny fanaka hazo, ny vato berila sy ny vato halatsaka an-tranontranony, ny vato alatsaka miloko fotsy somary volomparasy, ny vato misoratsoratra samihafa, ny vatosoa samihafa rehetra ary ny marbra fotsy betsaka.

Jereo ny toko dika mitovy




1Tantara 29:2
22 Rohy Ifampitohizana  

ary tsara ny volamena tamin’io tany io; tao koa ny ditin-kazo mani-pofona sy ny vatosoa.


ary omeo an’i Salômôna zanako ny fo vonona manontolo hitandrina ny didinao sy baikonao ka hanatanterahany azy rehetra sady hanorina ny tempoly lapanao izay efa nanomanako fitaovana.


Ankamamiko tokoa ny tranon’Andriamanitro; ka ho fanampin’ny zavatra rehetra nomaniko ho an’ity Toeramasina ity, dia omeko ho an’ny tranon’Andriamanitro koa izay volamena sy volafotsy ananako manokana:


Noravahana vatosoa koa io efitrano io; ary ny volamena nampiasaina dia volamena avy any Parvaîma.


Misy ny tany fitrandrahana volafotsy ary ny toerana fanadiovana volamena.


Tsy mifandanja aminy na ny volamena avy any Ôfira na ny berila sarobidy mbamin’ny safira aza.


horavahana laharam-batosoa efatra: ny laharana voalohany dia sardoanina sy tôpaza ary emeralda;


ny laharana fahefatra dia krizôlita sy berila ary jaspa. Samy apetaka anaty bokom-bolamena avy ny vato tsirairay.


Avy eo dia halaina ny vato berila roa izay hanoratana an-tsokitra ny anaran’ireo zanakalahin’i Jakôba:


ary ny laharana fahefatra dia krizôlita sy berila ary jaspa. Samy napetaka anaty bokom-bolamena avy ny vato tsirairay.


Namboarina ny vato berila dia natao tao anaty bokom-bolamena; nosoratana an-tsokitra teo ny anaran’ireo zanakalahin’i Jakôba, natao toy ny fisokitra tombokase.


Ampiasao ny herinao hanatanterahanao izay rehetra azonao atao, fa any amin’ny toeran’ny maty izay halehanao tsy mba misy asa na famoronan-javatra na fahalalana na fahendrena.


Ary niely eran’i Siria manontolo ny lazany, ka nentin’ny olona teo aminy avokoa izay mety ho marary ianjadian’ny aretina sy fanaintainana isan-karazany, dia ny azon’ny demony sy ny mararin’ny androbe ary ny malemy ka nositraniny avokoa.


Vavolombelona nahita aho fa nanome araka izay zakany ry zareo, eny mihoatra noho izay zakany aza; nahim-pony


Na inona na inona ataonareo, dia tontosao amin’ny fo tokoa tahaka ny atao amin’i Jesoa Tompo fa tsy amin’olona.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra