Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




1Tantara 29:3 - DIEM PROTESTANTA

3 Ankamamiko tokoa ny tranon’Andriamanitro; ka ho fanampin’ny zavatra rehetra nomaniko ho an’ity Toeramasina ity, dia omeko ho an’ny tranon’Andriamanitro koa izay volamena sy volafotsy ananako manokana:

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

3 Koa, noho ny fitiavako ny tranon’Andriamanitro dia omeko ho an’ny tranon’Andriamanitra, ho fanampin’ny zavatra rehetra novoriko hanaovana ny tempoly masina, izay volamena sy volafotsy ananako,

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

3 Ankamamiko tokoa ny tranon’Andriamanitro; ka ho fanampin’ny zavatra rehetra nomaniko ho an’ity Toeramasina ity, dia omeko ho an’ny tranon’Andriamanitro koa izay volamena sy volafotsy ananako manokana:

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

3 Ary koa, noho ny fitiavako ny tranon’Andriamanitra, izay volamena sy volafotsy ananako dia omeko hatao amin’ny tranon’Andriamanitra, ho fanampin’izay rehetra nomaniko hanaovana ny fitoerana masina,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

3 Ary koa, noho ny fitiavako ny tranon’Andriamanitro dia omeko ho an’ny tranon’Andriamanitra, ho fanampin’ny zavatra rehetra novoriko hanaovana ny tempoly masina, izay volamena sy volafotsy ananako,

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

3 Ary koa, noho ny fitiavako ny tranon'Andriamanitro dia omeko ho an'ny tranon'Andriamanitra, ho fanampin'ny zavatra rehetra novoriko hanaovana ny tempoly masina, izay volamena sy volafotsy ananako,

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

3 Koa, noho ny fitiavako ny tranon’Andriamanitro dia omeko ho an’ny tranon’Andriamanitra, ho fanampin’ny zavatra rehetra novoriko hanaovana ny tempoly masina, izay volamena sy volafotsy ananako,

Jereo ny toko dika mitovy




1Tantara 29:3
14 Rohy Ifampitohizana  

Saingy tsy nofoanany ny toeram-panasinana, ka mbola tonga nitondra sorona sy nandoro azy hanetona teny ihany ny olona.


Hoy kosa i Davida mpanjaka tamin’i Araonà; –Tsia, fa hovidiko mihitsy ny tokotany, araka ny tena vidiny haloa vola; fa tsy izay anao no halaiko ho an’ny TOMPO ary tsy zavatra azoko maimaim-poana no hataoko sorona dorana manontolo.


Nanao izay tratry ny aiko aho namonona fitaovana ho an’ny tranon’Andriamanitro: dia ny volamena hanaovana ny fanaka volamena; ny volafotsy hanaovana ny fanaka volafotsy; ny halimo hanaovana ny fanaka halimo; ny vy hanaovana ny fanaka vy; ary hazo hanaovana fanaka hazo. Nataoko vonona ny vato berila sy vato halatsaka an-tranontranony, ny vatomainty sy vato misoratsoratra, ny vatosoa isan-karazany ary ny vatokaranana betsaka.


dia volamena avy any Ôfira, milanja zato taonina; volafotsy madio milanja 240 taonina, natao hapetaka amin’ny ati-rindrina isan’efitrano.


TOMPO ô, tiako ny trano onenanao, dia ny toerana ipetrahan’ny voninahitrao.


Zavatra tokana no angatahiko sady irîko fatratra homen’ny TOMPO: dia ny hitoetra ao an-tranony mandritra ny androm-piainako rehetra, mba hianoka amin’ny hatsarampony sy hiandry ny torolalany ao an-tempoliny.


Tao amin’ny tahirin-kiran’ny filohan’antoko-mpihira. Hampiarahina amin’ny jejilava. Salamo nataon’ny terak’i Kôra.


Andriamanitra ô, mba jereo ny mpanjaka izay toy ny ampinga miaro anay; tsinjovy ilay olona voahosotrao.


–Ilazao ny Israelita mba hanomana fanomezana ho Ahy, ka avy amin’ny olona rehetra manolotra an-tsitrapo no anangony azy.


ary izy mihitsy aza no nanorina ny sinagôgantsika.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra