Naniraka olona hankany amin’i Davida i Hirama mpanjakan’i Tiro mba hitondra hazo sedera sy mpandrafitra ary mpipai-bato. Dia nanangana trano ho an’i Davida ireo.
1Tantara 22:15 - DIEM PROTESTANTA Mpiasa maro no eto aminao: dia tambato sy mpanao sokitra hazo ary olona mahay ny asa isan-karazany. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary koa, efa manana mpiasa betsaka ianao, dia mpikapa hazo sy tambato ary mpandrafitra sy olona mahay ny asa samihafa rehetra. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Mpiasa maro no eto aminao: dia tambato sy mpanao sokitra hazo ary olona mahay ny asa isan-karazany. Baiboly Katolika Ary indro mby eto aminao ny mpiasa be dia be, tambato, mpahay vato aman-kazo, olo-mahay amin’izao karazan’asa rehetra izao. Baiboly Protestanta Malagasy Ary koa, efa manana mpiasa betsaka hianao, dia mpikapa hazo sy tambato sy mpandrafitra ary olona mahay ny asa samy hafa rehetra. Malagasy Bible Ary koa, efa manana mpiasa betsaka ianao, dia mpikapa hazo sy tambato sy mpandrafitra ary olona mahay ny asa samy hafa rehetra. La Bible en Malgache Ary koa, efa manana mpiasa betsaka ianao, dia mpikapa hazo sy tambato ary mpandrafitra sy olona mahay ny asa samihafa rehetra. |
Naniraka olona hankany amin’i Davida i Hirama mpanjakan’i Tiro mba hitondra hazo sedera sy mpandrafitra ary mpipai-bato. Dia nanangana trano ho an’i Davida ireo.
He! nanao ezaka mafy aho ka nahavonona ho an’ny tranon’ny TOMPO ireto fitaovana ireto: volamena milanja telo tapitrisa kilao mahery, volafotsy milanja telopolo tapitrisa kilao mahery, halimo sy vy betsaka tsy hita lanja; ary nahavonona hazo sy vato koa aho. Dia hampianao kosa ireo.
Tsy hita isa ny volamena sy ny volafotsy ary ny halimo sy ny vy; koa arosoy ny asa, ary hiaraka aminao anie ny TOMPO!
Ankehitriny àry, andefaso lehilahy anankiray manam-pahaizana manokana momba ny asa volamena sy volafotsy ary halimo sy vy aho, dia lehilahy havanana koa amin’ny famboarana lamba jaky sy menamena ary volomparasy sady havanana amin’ny asa sokitra; izy io no hiara-miasa amin’ireo mpahaikanto eto amiko atỳ Joda sy Jerosalema, izay efa nomanin’i Davida raiko.
Andefaso hazo sedera sy kipreso ary hazo sarobidy avy any Libano koa aho, satria fantatro fa mahay mikapa hazo any Libano ireo mpiasanao; ary indreto ny mpiasako fa hiaraka amin’ny mpiasanao
«Mpahay taozavatra no hanao ny efôda amin’ny kiran-drongony mafy, mifangaro volon’ondry miloko volomparasy sy mena ary jaky, ka asiana peta-kofehy volamena.
Nomeny azy roa lahy ny talenta hanao asa isan-karazany: ny mandidy vatosoa, ny manao sary, ny manao peta-kofehy amin’ny volon’ondry miloko volomparasy sy mena ary jaky, ny manao peta-kofehy amin’ny kiran-drongony madinika, ny manenona ary ny manatontosa asa samihafa na mamorona zava-kanto.