Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




2Tantara 2:6 - DIEM PROTESTANTA

6 Ankehitriny àry, andefaso lehilahy anankiray manam-pahaizana manokana momba ny asa volamena sy volafotsy ary halimo sy vy aho, dia lehilahy havanana koa amin’ny famboarana lamba jaky sy menamena ary volomparasy sady havanana amin’ny asa sokitra; izy io no hiara-miasa amin’ireo mpahaikanto eto amiko atỳ Joda sy Jerosalema, izay efa nomanin’i Davida raiko.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

6 Koa aniraho olon-kendry aho hiasa volamena, volafotsy, varahina, vy, kofehy volomparasy sy jaky ary manga, mbamin’izay mahay misokitra sary, mba hiara-miasa amin’ny olona manam-pahaizana manokana izay atỳ amiko atỳ Joda sy Jerosalema, izay efa nomanin’i Davida raiko.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

6 Ankehitriny àry, andefaso lehilahy anankiray manam-pahaizana manokana momba ny asa volamena sy volafotsy ary halimo sy vy aho, dia lehilahy havanana koa amin’ny famboarana lamba jaky sy menamena ary volomparasy sady havanana amin’ny asa sokitra; izy io no hiara-miasa amin’ireo mpahaikanto eto amiko atỳ Joda sy Jerosalema, izay efa nomanin’i Davida raiko.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

6 Koa ankehitriny aho aniraho lehilahy anankiray miasa volamena amam-bolafotsy, sy varahina amam-by, jaky mena, lamba mena antitra sy jaky, ary mahay sarin-javatra sokirina, hiara-miasa amin’ireo olona mahay zavatra izay atỳ amiko atỳ Jodà sy Jerosalema, efa nomanin’i Davida raiko.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

6 Koa aniraho olon-kendry aho hiasa volamena sy volafotsy sy varahina sy vy sy volomparasy sy jaky ary manga, ary izay mahay misokitra manao sarin-javatra mba hiara-manao amin’ny olo-mahay zavatra izay atỳ amiko atỳ Joda sy Jerosalema, izay efa nomanin’i Davida raiko.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

6 Koa aniraho olon-kendry aho hiasa volamena sy volafotsy sy varahina sy vy sy volomparasy sy jaky ary manga, ary izay mahay misokitra manao sarin-javatra mba hiara-manao amin'ny olo-mahay zavatra izay atỳ amiko atỳ Joda sy Jerosalema, izay efa nomanin'i Davida raiko.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

6 Koa aniraho olon-kendry aho hiasa volamena, volafotsy, varahina, vy, kofehy volomparasy sy jaky ary manga, mbamin’izay mahay misokitra sary, mba hiara-miasa amin’ny olona manam-pahaizana manokana izay atỳ amiko atỳ Joda sy Jerosalema, izay efa nomanin’i Davida raiko.

Jereo ny toko dika mitovy




2Tantara 2:6
19 Rohy Ifampitohizana  

Ary nankeo anatrehan’ny TOMPO tao an-tranolay i Davida mpanjaka, ka nipetraka sady nivavaka hoe: –Ry Tompo ANDRIANANAHARY ô, mba iza moa aho ary mba inona ny fianakaviako, no tonganao amin’ny toerana misy ahy izao?


Tany Tiro dia nisy lehilahy nantsoina hoe Hirama izay mpiasa havanana momba ny halimo. Lehilahy tirianina ny rainy ary vehivavy mpitondratena avy amin’ny fokon’i Naftalỳ ny reniny. Io Hirama io dia tena kinga sy mahira-tsaina ary mahay tsara ny fanaovana ny asa isan-karazany momba ny halimo. Izany no nampiantsoan’i Salômôna mpanjaka azy avy any Tiro mba hanao ny asa rehetra ilany azy.


«Nefa hety honina marina etỳ an-tany ve Ianao, Andriamanitra ô? Indro ny lanitra, na dia midadasika tokoa aza, tsy omby Anao; koa mainka fa ity tempoly izay nataoko ity.


Mpiasa maro no eto aminao: dia tambato sy mpanao sokitra hazo ary olona mahay ny asa isan-karazany.


Fa zinona moa aho, ary zinona moa ny mpiray firenena amiko, no hanan-kery hanolotra fanomezana an-tsitrapo toy izao? Eny, avy aminao ny zavatra rehetra; ary ny avy taminao ihany no nanomezanay Anao.


Koa omeo fahendrena sy fahaiza-manavaka aho hitondrako ny tenako manoloana ity vahoaka ity; fa raha tsy eo izany, dia iza indray no ho afaka hifehy izao vahoakanao betsaka izao?


«Nefa hety honina miaraka amin’ny olona etỳ an-tany ve Ianao, Andriamanitra ô? Indro ny lanitra, na dia midadasika tokoa aza, tsy omby Anao; koa mainka fa ity tempoly izay nataoko ity!


Fa hoy i Mosesy tamin’Andriamanitra: –Zinona moa aho no hankany amin’ny Farao ka hamoaka ny Israelita hiala avy any Ejipta?


ny mandidy ny vatosoa sy mandrafitra azy, ny manao sokitra ny hazo, izany hoe hainy atao ny asa kanto samihafa.


Izao no lazain’ny TOMPO: «Ny lanitra no sezafiandrianako ary ny tany no fitoeran-tongotro. Koa trano toa inona moa no hataonareo ho Ahy? Ary toerana toa inona no hialako sasatra?


Raha misy olona miery ao anaty fiafenana, dia tsy ho hitako ve izy? Fanontaniana hentitra avy amiko TOMPO izany. Tsy manerana ny lanitra sy ny tany ve Aho? Fanontaniana hentitra avy amiko TOMPO izany.


fofona mahafaty tokoa izany ho an’ny very, fa fofona mahavelona tokoa ho an’ny voavonjy. Koa iza moa no antonona ho amin’izany asa izany?


Kely noho izay bitika indrindra amin’ny vahoakan’Andriamanitra rehetra aho, kanefa nomen’Andriamanitra izany tombon-tsoa izany: dia ny hitory amin’ny hafa firenena ny Vaovao Mahafaly momba ny haren’i Kristy tsy hita lany,


Amin’izay, ilay toerana hofidin’ny TOMPO Andriamanitrareo hipetrahan’ny voninahiny no hitondranareo ny zavatra rehetra nandidiako anareo: dia ny sorona dorana manontolo sy ny sorom-pihavanana ataonareo, ny fahafolon-karenareo, ny fitia tsy mba hetra foinareo, ny zavatra rehetra voafantinareo mba hanalana ny voadinareo tamin’ny TOMPO.


fa ilay toerana nofidin’ny TOMPO amin’ny fokonareo anankiray ihany no hanoloranareo ireny, sady hanaovanareo koa ny zavatra rehetra nandidiako anareo.


Kanefa ny zava-masinareo sy ny zavatra nataonareo voady dia ento mankany amin’ny toerana hofidin’ny TOMPO.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra