Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




2Tantara 2:5 - DIEM PROTESTANTA

5 Nefa iza no afaka manao tempoly ho Azy? Fa ny lanitra, na dia midadasika tokoa aza, tsy omby Azy. Ary iza aho no mihambo hanao tempoly ho Azy, afa-tsy toerana handoroana sorona hanetona eo anatrehany ihany!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

5 Nefa iza no mahay manorina trano ho Azy? Fa ny lanitra ary ny lanitry ny lanitra aza tsy omby Azy. Iza moa aho no hanorina trano ho Azy, afa-tsy ny handoroana ditin-kazo manitra eo anatrehany ihany?

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

5 Nefa iza no afaka manao tempoly ho Azy? Fa ny lanitra, na dia midadasika tokoa aza, tsy omby Azy. Ary iza aho no mihambo hanao tempoly ho Azy, afa-tsy toerana handoroana sorona hanetona eo anatrehany ihany!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

5 Fa iza aza moa no hahay manao trano ho Azy, fa ny lanitra sy ny lanitry ny lanitra aza tsy omby Azy? Ary iza moa aho no hanao trano ho Azy, afa-tsy ny mba handoroana zava-manitra eo anatrehany ihany?

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

5 Nefa iza no mahay manao trano ho Azy? fa ny lanitra ary ny lanitry ny lanitra aza tsy omby Azy. Ka iza moa aho, no hanao trano ho Azy, afa-tsy ny handoroana ditin-kazo manitra eo anatrehany ihany?

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

5 Nefa iza no mahay manao trano ho Azy? Fa ny lanitra ary ny lanitry ny lanitra aza tsy omby Azy. Ka iza moa aho, no hanao trano ho Azy, afa-tsy ny handoroana ditin-kazo manitra eo anatrehany ihany?

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

5 Nefa iza no mahay manorina trano ho Azy? Fa ny lanitra ary ny lanitry ny lanitra aza tsy omby Azy. Iza moa aho no hanorina trano ho Azy, afa-tsy ny handoroana ditin-kazo manitra eo anatrehany ihany?

Jereo ny toko dika mitovy




2Tantara 2:5
18 Rohy Ifampitohizana  

«Nefa hety honina marina etỳ an-tany ve Ianao, Andriamanitra ô? Indro ny lanitra, na dia midadasika tokoa aza, tsy omby Anao; koa mainka fa ity tempoly izay nataoko ity.


Na dia avobe aza ity tempoly ity fahiny, dia hivarahontsana izay rehetra mandalo eo akaikiny ka hanontany hoe: «Nahoana no dia nataon’ny TOMPO toy izao ity tany ity sy ity tempoly ity?»


Fa lehibe ny TOMPO ka mendrika hoderaina fatratra sady mahatahotra mihoatra noho ny andriamanitra rehetra.


Dia hoy i Davida mpanjaka tamin’ny olona rehetra tafangona teo: –I Salômôna zanako, ilay hany nofidin’Andriamanitra, dia mbola tanora sady tsy za-draharaha; nefa goavana ny asa hatao, satria tsy lapa ho an’olombelona fa tempoly ho an’ny TOMPO Andriamanitra.


Fa zinona moa aho, ary zinona moa ny mpiray firenena amiko, no hanan-kery hanolotra fanomezana an-tsitrapo toy izao? Eny, avy aminao ny zavatra rehetra; ary ny avy taminao ihany no nanomezanay Anao.


Koa indro aho hanome varimbazaha sy vary ôrza samy enina arivo taonina ary koa divay sy menaka samy 800 000 litatra avy, ho sakafon’ireo mpiasanao mpikapa hazo.»


Ianareo kosa, manaova fanarenan-javatra ankehitriny ka aza malaina, satria ianareo no voafidin’ny TOMPO hiatrika Azy mba hanao fanompoam-pivavahana aminy sy ho mpandraharahany ary ho mpandoro vovo-javamanitra ho Azy.


«Nefa hety honina miaraka amin’ny olona etỳ an-tany ve Ianao, Andriamanitra ô? Indro ny lanitra, na dia midadasika tokoa aza, tsy omby Anao; koa mainka fa ity tempoly izay nataoko ity!


Eny, fantatro fa lehibe ny TOMPO; ary ekeko fa izany Tompontsika izany dia ambonin’ny andriamanitra rehetra.


Lehibe ny TOMPO ary mendri-piderana fatratra; tsy takatry ny saina ny halehibiazany.


Miderà Azy, ry lanitra faratampony mbaminareo rano any ambonin’ny habakabaka.


TOMPO ô, iza moa no andriamanitra tahaka Anao? Iza no malaza amin’ny fahamasinana tahaka Anao, mahatahotra, mendri-piderana, afaka manao zava-mahagaga?


Fantatro izao fa ny TOMPO dia lehibe mihoatra noho ny andriamanitra hafa rehetra; ny zavatra izay nataony rehefa nisetrasetra taminareo ny Ejiptianina no nanehoany izany.


Izao no lazain’ny TOMPO: «Ny lanitra no sezafiandrianako ary ny tany no fitoeran-tongotro. Koa trano toa inona moa no hataonareo ho Ahy? Ary toerana toa inona no hialako sasatra?


Tsy misy tahaka Anao, ry TOMPO, fa lehibe Ianao ary lehibe ny lazanao amin’ny asa mahery nataonao.


Ny firàvany tsara tarehy dia niteraka avonavona tao aminy ka nisy namboarany sarivongan-tsampy maharikoriko sy mahatsiravina. Izany no nanaovako ireny firàvany ireny ho zavatra mankaloiloy azy.


Fa ny hisehoan’i Kristy, amin’ny fotoana voatendry, dia hotanterahin’Andriamanitra, ilay Andriana tokana sady loharanom-pahasambarana, ilay Mpanjakan’ny mpanjaka sady Tompon’ny Tompo:


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra