Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




2Tantara 2:4 - DIEM PROTESTANTA

4 Ny tempoly hataoko dia ho lehibe, satria lehibe noho ny andriamanitra rehetra ilay Andriamanitray.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

4 Ary ny trano izay haoriko dia ho lehibe, satria lehibe noho ny andriamanitra rehetra ny Andriamanitray.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

4 Ny tempoly hataoko dia ho lehibe, satria lehibe noho ny andriamanitra rehetra ilay Andriamanitray.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

4 Ny trano hataoko dia tsy maintsy ho lehibe, satria lehibe noho ny andriamanitra rehetra ny Andriamanitray.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

4 Ary ny trano efa hataoko dia lehibe, satria lehibe noho ny andriamanitra rehetra ny Andriamanitray.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

4 Ary ny trano efa hataoko dia lehibe, satria lehibe noho ny andriamanitra rehetra ny Andriamanitray.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

4 Ary ny trano izay haoriko dia ho lehibe, satria lehibe noho ny andriamanitra rehetra ny Andriamanitray.

Jereo ny toko dika mitovy




2Tantara 2:4
16 Rohy Ifampitohizana  

Ary nandry feizay i Joda sy i Israely tamin’ny andro rehetra niainan’i Salômôna; fa samy niadam-pinaritra teo anivon’ny voalobony sy ny aviaviny ny olona hatreo Dana ka hatrany Beera-Seba.


Kanefa dia hoy ny TOMPO taminy: «Tao am-ponao ny fikasana hanorina tempoly ho voninahitro, dia tsara tokoa izany fikasanao izany;


Ka omby 22 000 sy ondry aman’osy 120 000 no nataon’i Salômôna ho sorom-pihavanana ho an’ny TOMPO. Toy izany no nitokanan’ny mpanjaka sy ny Israelita rehetra ny tranon’ny TOMPO.


Fa hoy izy anakampony: «I Salômôna zanako mbola kely sady tanora fanahy, ary ny tempoly haorina ho an’ny TOMPO dia tsy maintsy ho lehibe tokoa mba hielezan’ny lazany sy ny voninahiny any amin’ny tany rehetra; koa hovononiko rahateo ny zavatra hoenti-manao azy.» Dia nahavonona betsaka tokoa i Davida fahavelony.


Isa-maraina sy isan-kariva ireo no mampanetona ny sorona dorana manontolo sy ny vovo-javamanitra ho an’ny TOMPO na koa mandahatra eo amin’ny latabatra madio ny mofo atolotra ho an’Andriamanitra; ary isan-kariva ireo no mampirehitra ny jiro eo amin’ny fitoeran-jiro volamena. Izahay manko mitandrina izay nasain’ny TOMPO Andriamanitray hotandremana; fa ianareo kosa nandao Azy.


Ary i Salômôna nandray mpiasa 70 000 ho mpitondra entana, 80 000 ho mpipai-bato eny an-tendrombohitra, ary 3 600 ho mpifehy azy ireo.


Nataonay lalàna koa ny handoavana ny ampahatelon-tsekela isan-taona hanaovana ny fanompoana momba ny tranon’Andriamanitray:


Tompo ô, tsy misy tahaka Anao amin’ireo andriamanitra; tsy misy mahavita ny vitanao.


Fa lehibe ny TOMPO ka mendrika hoderaina fatratra sady mahatahotra mihoatra noho ny andriamanitra rehetra.


Eo ambonin’io latabatra io no hametrahana ny mofo atolotra ho Ahy, ka hisy tsy tapaka eo anatrehako izany.


Isa-maraina dia handoro vovo-javamanitra eo i Aharôna rehefa hanadio ny fitoeran-jiro ao amin’ny Toeramasina,


Kitapo feno vola no nentiny, ka tsy hiverina izy raha tsy fenomanana indray ny volana.»


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra