Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




1Tantara 21:5 - DIEM PROTESTANTA

Dia natolotr’i Jôaba an’i Davida ny tarehimarika vokatry ny fanisam-bahoaka: i Israely manontolo dia nisy 1 100 000 ny lehilahy matanjaka mahatam-piadiana, ary i Joda dia nisy 470 000.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Dia natolotr’i Joaba an’i Davida ny isan’ny olona voalamina ka nisy iray hetsy sy iray tapitrisa ny lehilahy mahatan-tsabatra teo amin’ny Israely; fito alina sy efatra hetsy kosa ny lehilahy mahatan-tsabatra teo amin’ny Joda.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Dia natolotr’i Jôaba an’i Davida ny tarehimarika vokatry ny fanisam-bahoaka: i Israely manontolo dia nisy 1 100 000 ny lehilahy matanjaka mahatam-piadiana, ary i Joda dia nisy 470 000.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Natolotr’i Jôaba an’i Davida ny boky nisy ny isam-bahoaka, ka nisy 1.100.000 ny lehilahy mahatan-tsabatra teo amin’i Israely rehetra, ary 470.000 ny lehilahy mahatan-tsabatra teo amin’i Jodà.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary natolotr’i Joaba an’i Davida ny isan’ny olona voalamina, ka nisy iray hetsy sy iray tapitrisa ny lehilahy mahatan-tsabatra teo amin’ny Isiraely; ary fito alina sy efatra hetsy ny lehilahy mahatan-tsabatra teo amin’ny Joda.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary natolotr'i Joaba an'i Davida ny isan'ny olona voalamina, ka nisy iray hetsy sy iray tapitrisa ny lehilahy mahatan-tsabatra teo amin'ny Isiraely; ary fito alina sy efatra hetsy ny lehilahy mahatan-tsabatra teo amin'ny Joda.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Dia natolotr’i Joaba an’i Davida ny isan’ny olona voalamina ka nisy iray hetsy sy iray tapitrisa ny lehilahy mahatan-tsabatra teo amin’ny Israely; fito alina sy efatra hetsy kosa ny lehilahy mahatan-tsabatra teo amin’ny Joda.

Jereo ny toko



1Tantara 21:5
4 Rohy Ifampitohizana  

Ary natolotr’i Jôaba ny mpanjaka ny tarehimarika vokatry ny fanisam-bahoaka: i Israely dia nisy 800 000 ny lehilahy matanjaka mahatam-piadiana, ary i Joda dia nisy 500 000.


Saingy tsy azon’i Jôaba nolavina ny didin’ny mpanjaka; ka niainga ry i Jôaba nitety an’i Israely manontolo, ary niverina tao Jerosalema.


Tsy nanisa ny hatramin’ny roapolo taona no ho midina i Davida, satria ny TOMPO efa nilaza hampitombo ny Israelita ho tahaka ny kintana eny amin’ny habakabaka.


Nanomboka fanisana i Jôaba zanakalahin’i Tseroià fa tsy namarana, noho ny fahatezeran’Andriamanitra vokatr’izany tamin’i Israely; ka tsy voasoratra ao amin’ilay boky atao hoe «Tantaran’i Davida mpanjaka» ny isan’ny mponina.