I Rama no ray niteraka an’i Haminadaba; i Haminadaba no ray niteraka an’i Nahasôna izay filohan’ny taranak’i Joda.
1Tantara 2:9 - DIEM PROTESTANTA Ary ny zanakalahy naterak’i Hetsirôna dia i Jerahimeela sy i Rama ary i Kelobay na Kaleba. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ny zanakalahin’i Hezrona izay naterany dia i Jeramela sy i Rama ary i Kelobay. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ary ny zanakalahy naterak’i Hetsirôna dia i Jerahimeela sy i Rama ary i Kelobay na Kaleba. Baiboly Katolika Zanaka naterak’i Hesrôna: i Jerameela, i Ramà ary i Kaleba. Baiboly Protestanta Malagasy Ary ny zanakalahin’i Hezrona izay naterany dia Jeramela sy Rama ary Kelobay; Malagasy Bible Ary ny zanakalahin'i Hezrona izay naterany dia Jeramela sy Rama ary Kelobay; La Bible en Malgache Ny zanakalahin’i Hezrona izay naterany dia i Jeramela sy i Rama ary i Kelobay. |
I Rama no ray niteraka an’i Haminadaba; i Haminadaba no ray niteraka an’i Nahasôna izay filohan’ny taranak’i Joda.
Taorian’ny nahafatesan’i Hetsirôna izay nanambady an’i Abià, dia niray tamin’i Efrata indray i Kaleba; ka i Efrata no niterahany an’i Asehora mpanorina an’i Tekôa.
Ireo zanakalahin’i Jerahimeela, lahimatoan’i Hetsirôna, dia i Rama lahimatoa sy i Bonà mbamin’i Ôrena sy i Ôtsema ary i Ahià.
Ireo zanakalahin’i Kaleba, rahalahin’i Jerahimeela, dia i Mesà, lahimatoa sady rain’i Zifa, ary i Maresa rain’i Hebrôna.
I Joda, ray niteraka an’i Farèsa sy i Zara (ary dia i Tamara no renin’izy roa lahy); i Farèsa, ray niteraka an’i Hesrôna; i Hesrôna, ray niteraka an’i Arama.
Dia lasa i Jôhany nitety ny faritany manontolo amoron’ny ony Jôrdàna sady nanao antso avo hoe: –Ialao ny toe-dratsy, meteza hatao batisa, dia havelan’Andriamanitra ny helokareo.
Ka nony nanontany azy i Akisy hoe: «Taiza avy no nanafihanareo androany?», dia novaliany hoe: «Tany amin’ny faritra atsimon’i Joda» na «Tany amin’ny faritra atsimon’ny Jerahimeelita» na koa «Tany amin’ny faritra atsimon’ny Kenita».