Fa i Amnôna kosa nanan-tsakaiza natao hoe Jônadaba sady zanakalahin’i Simehà izay rahalahin’i Davida; ary io Jônadaba io dia tena lalin-tsaina.
1Tantara 2:13 - DIEM PROTESTANTA ary i Jesè no ray niteraka azy fito mirahalahy ireto: dia i Eliaba sy i Abinadaba, i Simehà Baiboly Protestanta Malagasy 2011 i Jese no niteraka an’i Eliaba, lahimatoa; i Abinadaba, lahiaivo; i Simea, fahatelo, Dikateny Iombonana Eto Madagasikara ary i Jesè no ray niteraka azy fito mirahalahy ireto: dia i Eliaba sy i Abinadaba, i Simehà Baiboly Katolika i Isaia niteraka an’i Eliaba lahy matoany, i Abinadaba lahy aivo, i Simaà fahatelo, Baiboly Protestanta Malagasy ary Jese niteraka an’i Eliaba, lahimatoa, sy Abinadaba, lahiaivo, sy Simea, fahatelo, Malagasy Bible ary Jese niteraka an'i Eliaba, lahimatoa, sy Abinadaba, lahiaivo, sy Simea, fahatelo, La Bible en Malgache i Jese no niteraka an’i Eliaba, lahimatoa; i Abinadaba, lahiaivo; i Simea, fahatelo, |
Fa i Amnôna kosa nanan-tsakaiza natao hoe Jônadaba sady zanakalahin’i Simehà izay rahalahin’i Davida; ary io Jônadaba io dia tena lalin-tsaina.
Nentina ny fatin’i Asahela ka nalevina tao amin’ny fasan-drainy tao Betlehema. Ary i Jôaba sy ny olony nanao lava alina, dia tonga tany Hebrôna tamin’ny mazava ratsy.
Nohantsiny ny Israelita, ka i Jonatàna, zanakalahin’i Simehà izay rahalahin’i Davida, no nahafaty azy.
Tamin’ny fokon’i Joda, dia i Elihò izay isan’ny rahalahin’i Davida. Tamin’ny fokon’i Jisakara, dia i Hômrỳ zanakalahin’i Mikaela.
I Davida dia zanakalahin’i Jisay avy amin’ny terak’i Efratà, izay nonina tany Betleheman’i Joda; nanan-janaka valo mirahalahy i Jisay izay efa tena antitra tamin’ny andron’i Saoly.
Ny zanany telolahy zokiny, i Eliaba sy i Abinadaba ary i Samà, dia voaantso miaramila ka niara-niantafika tamin’i Saoly. Fa i Davida kosa, ilay zandriny indrindra,
Fa i Eliaba zokiny lahimatoa kosa, raha nandre azy tafaresaka tamin’ny miaramila, dia nisafoaka tamin’i Davida ka nanao hoe: –Inona moa no ataonao atỳ? Iza no namelanao ireo ondrinao vitsivitsy any an-taniefitra? Fantatro tsara ny fieboeboanao sy ny haratsiam-panahinao, fa hijery ady no nahatongavanao.