fa tsy nanontany ny TOMPO; ka dia nampamonoiny ho faty izy ary nafindrany tamin’i Davida, zanakalahin’i Jisay, ny fanjakana.
1Tantara 2:12 - DIEM PROTESTANTA I Bôhaza no ray niteraka an’i Hôbeda; i Hobeda no ray niteraka an’i Jesè; Baiboly Protestanta Malagasy 2011 i Boaza no niteraka an’i Obeda; i Obeda no niteraka an’i Jese; Dikateny Iombonana Eto Madagasikara I Bôhaza no ray niteraka an’i Hôbeda; i Hobeda no ray niteraka an’i Jesè; Baiboly Katolika I Booza niteraka an’i Obeda, i Obeda niteraka an’i Isaia, Baiboly Protestanta Malagasy ary Boaza niteraka an’i Obeda; ary Obeda niteraka an’i Jese; Malagasy Bible ary Boaza niteraka an'i Obeda; ary Obeda niteraka an'i Jese; La Bible en Malgache i Boaza no niteraka an’i Obeda; i Obeda no niteraka an’i Jese; |
fa tsy nanontany ny TOMPO; ka dia nampamonoiny ho faty izy ary nafindrany tamin’i Davida, zanakalahin’i Jisay, ny fanjakana.
ary i Jesè no ray niteraka azy fito mirahalahy ireto: dia i Eliaba sy i Abinadaba, i Simehà
Misy rantsana misandrahaka avy amin’ny fototr’i Jisay; misy solofo mipoitra avy amin’ny fakany.
Amin’izany andro izany ny solofon’i Jisay dia hatsangana ho fanevan’ny firenena rehetra; ka hitady azy ny firenen-kafa, ary hanjary be voninahitra ny fonenany.
I Salmôna, ray niteraka an’i Bôhaza (ary dia i Rahaba no reniny); i Bôhaza, ray niteraka an’i Ôbeda (ary i Rota no reniny); i Ôbeda, ray niteraka an’i Jisay;
dia i Davida zanakalahin’i Jisay, zafin’i Ôbeda, zafiafin’i Bôhaza, zafin-dohalik’i Salà, zafin-kitrokelin’i Nahasôna,
Nesorin’Andriamanitra i Saoly, fa notendreny ho mpanjakan’izy ireo kosa i Davida, ilay nijoroany ho vavolombelona ka nilazany hoe: «Efa hitako i Davida, zanak’i Jisay; lehilahy araka izay niriko i Davida ka hanatontosa ny sitrapoko rehetra.»
Ary hoy indray i Isaià hoe: «Ho avy ilay solofon’i Jisay, dia ilay hitsangana hifehy ny firenena: Izy no hitokian’ireo firenena!»
Hoy ny TOMPO tamin’i Samoela: –Mandra-pahoviana ihany no halahelovanao an’i Saoly, nefa na Izaho aza efa nandà azy tsy ho mpanjakan’i Israely intsony? Raiso ny diloilonao, dia mandehana; fa irahiko ho any amin’i Jisay any Betlehema ianao, satria efa nifidy anankiray tamin’ny zanany aho mba ho mpanjaka.