Mihirà ho an’ny TOMPO, ry mponin’ny tany tontolo, torio isan’andro isan’andro ny namonjeny antsika.
1Tantara 16:30 - DIEM PROTESTANTA Mangovita eo anoloany, ry mponin’ny tany tontolo, fa izao rehetra izao voaorina mafy ka tsy hihontsona. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Mangovita eo anatrehany, ry tany rehetra! Izao rehetra izao dia voaorina ka tsy hihetsika. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Mangovita eo anoloany, ry mponin’ny tany tontolo, fa izao rehetra izao voaorina mafy ka tsy hihontsona. Baiboly Katolika Mangovita eo anatrehany, ry mponina amin’ny tany rehetra, ary izao tontolo izao, voaarina, tsy mba hivembena. Baiboly Protestanta Malagasy Mangovita eo anatrehany, ry tany rehetra; Izao rehetra izao voaorina ka tsy hihetsika. Malagasy Bible Mangovita eo anatrehany, ry tany rehetra; Izao rehetra izao voaorina ka tsy hihetsika. La Bible en Malgache Mangovita eo anatrehany, ry tany rehetra! Izao rehetra izao dia voaorina ka tsy hihetsika. |
Mihirà ho an’ny TOMPO, ry mponin’ny tany tontolo, torio isan’andro isan’andro ny namonjeny antsika.
Fa lehibe ny TOMPO ka mendrika hoderaina fatratra sady mahatahotra mihoatra noho ny andriamanitra rehetra.
Tolory haja ny TOMPO satria be voninahitra Izy. Mitondrà fanatitra ka mankanesa eo anatrehany; dia miankohofa eo anatrehan’ny TOMPO, rehefa miseho ny fahamasinany.
Aoka hifaly ny lanitra, ary hiravoravo ny tany! Lazao amin’ny olona hoe: «Ny TOMPO no mpanjaka!»
Eny, mahatahotra tokoa Ianao! Ka iza no hahajanona eo anoloanao, rehefa mipoaka ny fahatezeranao?
Mpanjaka ny TOMPO, mitafy fiandrianana; eny, mitafy fiandrianana IZY ary misikina hery ka voaorina tsara tsy hihontsona izao tontolo izao.
dia miankohofa eo anatrehan’ny TOMPO, rehefa miseho ny fahamasinany. Mangovita eo anoloany, ry mponin’ny tany tontolo.
Ny TOMPO no mpanjaka, hany ka mangovitra ireo vahoaka. Ambony kerobima ny sezafiandrianany, hany ka mihorohoro ny tany.
Izao koa no lazain’ny TOMPO: «Tamin’ny fotoana mety dia namaly ny antsonao Aho, ary tamin’ny androm-pamonjena dia tonga namonjy anao Aho. Nokolokoloiko ianao mba hataoko ho antoky ny fanekempihavanako amin’ny olona. Noho izany, dia hanarina ny tany Aho sy hizara indray ny lova efa rava;
Tamin-kery no nanaovan’ny Tompo ny tany, tamim-pahendrena no nanorenany izao tontolo izao, ary tamim-pahaizana no namelarany ny habakabaka.
Taratra mamirapiratry ny voninahitr’Andriamanitra sady famantarana velona izay tena toetra amam-pomban’Andriamanitra Izy; ary ny teniny manan-kery no ihazonany ny zavatra rehetra. Nony avy nanadio ny olona ho afaka amin’ny fahotany Izy, dia nipetraka any amin’ny avo indrindra eo ankavanan’ilay Andriamanitra lehibe.
Dia nitsoka trompetra ny anjely fahafito, ka nisy feo mahery tany an-danitra nanao hoe: «Efa lasan’ny Tompontsika sy ilay Mesiany ny fanjakana amin’izao tontolo izao, ka ho fanjakana maharitra mandrakizay izany!»