Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




1Tantara 16:25 - DIEM PROTESTANTA

25 Fa lehibe ny TOMPO ka mendrika hoderaina fatratra sady mahatahotra mihoatra noho ny andriamanitra rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

25 Fa lehibe NY TOMPO ka mendrika hoderaina indrindra, sady mahatahotra, fa ambonin’ny andriamanitra rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

25 Fa lehibe ny TOMPO ka mendrika hoderaina fatratra sady mahatahotra mihoatra noho ny andriamanitra rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

25 Fa lehibe i Iaveh ka mendrika hoderaina indrindra, ary mahatahotra mihoatra ireo andriamanitra rehetra Izy;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

25 Fa lehibe Jehovah ka mendrika hoderaina indrindra, Sady mahatahotra, fa ambonin’ny andriamanitra rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

25 Fa lehibe Jehovah ka mendrika hoderaina indrindra, sady mahatahotra, fa ambonin'ny andriamanitra rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

25 Fa lehibe NY TOMPO ka mendrika hoderaina indrindra, sady mahatahotra, fa ambonin’ny andriamanitra rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy




1Tantara 16:25
15 Rohy Ifampitohizana  

Ambarao amin’ireo firenena ny voninahiny, lazao amin’ny vahoaka rehetra ny zava-mahagaga nataony.


Nefa iza no afaka manao tempoly ho Azy? Fa ny lanitra, na dia midadasika tokoa aza, tsy omby Azy. Ary iza aho no mihambo hanao tempoly ho Azy, afa-tsy toerana handoroana sorona hanetona eo anatrehany ihany!


Lehibe ny TOMPO ary mendri-piderana fatratra; tsy takatry ny saina ny halehibiazany.


Tononkira. Salamo nataon’ireo terak’i Kôra .


Ry Andriamanitr’i Jakôba ô, nandrahona Ianao ka nitsatoka teo ny soavaly sy ny mpitaingina azy.


Eny, mahatahotra tokoa Ianao! Ka iza no hahajanona eo anoloanao, rehefa mipoaka ny fahatezeranao?


TOMPO ô, tsy misy tahaka Anao any an-danitra; ary tsy misy mitovy aminao ireo andriamanitra.


TOMPO ô, iza moa no andriamanitra tahaka Anao? Iza no malaza amin’ny fahamasinana tahaka Anao, mahatahotra, mendri-piderana, afaka manao zava-mahagaga?


Tsy mba atahoranareo akory ve Izaho TOMPO? Tsy mba mangovitra eo anatrehako ve ianareo? Izaho anefa no nametraka ny fasika ho fefin’ny ranomasina, dia fetra mandrakizay tsy hihoarany: na dia misamboaravoara mafy aza izy dia tsy mahavaky izany fefy izany; na dia mirohondrohona be aza ny onjany, dia tsy afaka mihoatra azy.


Fa manomboka any atsinanana ka hatrany andrefana no hieken’ireo hafa firenena fa lehibe ny lazako. Ary hatraiza hatraiza no handoroana sorona sy hanaovana fanatitra mendrika ny anarako. Eny, hiaiky ireo hafa firenena fa lehibe ny lazako, hoy Izaho TOMPOn’izao rehetra izao.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra