Niseho tamin’i Abrama ny TOMPO ka niteny taminy hoe: «Homeko ny taranakao ity tany ity.» Dia nanorina alitara ho an’ny TOMPO i Abrama teo amin’io toerana izay nisehoan’ny TOMPO taminy io.
1Tantara 16:16 - DIEM PROTESTANTA Fanekempihavanana nataony tamin’i Abrahama sy fianianana nataony tamin’i Itsehàka. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 eny, ilay nataony tamin’i Abrahama sy ny fianianany tamin’Isaka; Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Fanekempihavanana nataony tamin’i Abrahama sy fianianana nataony tamin’i Itsehàka. Baiboly Katolika Fanekena nifanaovany tamin’i Abrahama, ny fianianana nataony ho an’i Isaaka, Baiboly Protestanta Malagasy Eny, dia ilay nataony tamin’i Abrahama Sy ny fianianany tamin’Isaka, Malagasy Bible Eny, dia ilay nataony tamin'i Abrahama sy ny fianianany tamin'Isaka, La Bible en Malgache eny, ilay nataony tamin’i Abrahama sy ny fianianany tamin’Isaka; |
Niseho tamin’i Abrama ny TOMPO ka niteny taminy hoe: «Homeko ny taranakao ity tany ity.» Dia nanorina alitara ho an’ny TOMPO i Abrama teo amin’io toerana izay nisehoan’ny TOMPO taminy io.
Tamin’izay andro izay ny TOMPO dia nanao fanekempihavanana tamin’i Abrama, ka niteny hoe: –Omeko ny taranakao ity tany ity, manomboka eo amin’ny ranon-driakan’i Ejipta ka hatrany Eofrata ony lehibe
Mivahinia eto amin’ity tany ity fa homba anao Aho ary hitahy anao, satria ny taranakao no homeko ireo faritany rehetra ireo, fa hotanterahiko ny fampanantenana efa nianianako tamin’i Abrahama rainao.
sady hoy koa Izy taminy: –Izaho no Andriamanitra Tsitoha. Mihamaroa sy mitomboa, ka hisy firenena sy vondrom-pirenena hipoitra avy aminao ary mpanjaka maro avy amin’ny taranakao.
Nisy nilaza tamin’i Davida mpanjaka fa ny TOMPO efa nitahy ny ankohonan’i Hôbeda-Edôma sy izay nananany rehetra noho ny amin’ny Vatamasin’Andriamanitra. Dia niainga i Davida nampakatra ny Vatamasin’Andriamanitra avy tao an-tranon’i Hôbeda-Edôma ho any an-tanànan’i Davida.
Tsarovy hatrany ny fanekempihavanany, dia ny fampanantenana izay napetrany ho an’ny taranaka arivo mifandimby:
Fo mahatoky anao no hitanao taminy, ka nanaovanao fanekempihavanana izy fa homenao ho azy sy ho an’ny taranany ny tanin’ny Kanahanita sy ny Hitita, ary ny Amôrita mbamin’ny Perizita sy ny Jebosita ary ny Girgasita; ary efa notanterahinao ny teninao, satria marina Ianao.
Dia ampio hoe: «Ny TOMPO Andriamanitry ny razanareo, ilay Andriamanitr’i Abrahama sy i Itsehàka ary i Jakôba, no naniraka ahy ho atỳ aminareo.» Izany no anarako mandrakizay, ary izany no hahatsiarovana Ahy isaky ny taranaka mifandimby.
Ho anareo ny fampanantenana nataon’Andriamanitra tamin’ny alalan’ny mpaminany, ary iombonanareo anjara ilay fanekempihavanana nataon’Andriamanitra tamin’ny razanareo fony Izy niteny tamin’i Abrahama hoe: «Ny taranakao no hitahiana ny firenena rehetra eto an-tany.»
Fa raha nentin’ny TOMPO tamin’ny fiarovana mahery ianareo sy navotany tamin’ny toeram-panandevozana teo ambany fifehezan’ny Farao mpanjakan’i Ejipta, dia satria tian’ny TOMPO ianareo ary tandroviny aminareo ny fianianana nataony tamin’ny razambenareo.