Novorin’i Davida indray ireo miaramila voafantina rehetra tamin’i Israely izay misy antokony telopolo.
1Tantara 13:5 - DIEM PROTESTANTA Dia novorin’i Davida i Israely lafy valo, manomboka amin’ny sisin-tanin’i Ejipta ka hatrany Lebô-Hamàta, mba handeha haka ny Vatamasina, any Kiriata-Jeharima. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia novorin’i Davida ny Israely rehetra hatrany Sihora any Ejipta ka hatrany akaikin’i Hamata haka ny vata misy ny faneken’Andriamanitra avy any Kiriata-Jearima. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia novorin’i Davida i Israely lafy valo, manomboka amin’ny sisin-tanin’i Ejipta ka hatrany Lebô-Hamàta, mba handeha haka ny Vatamasina, any Kiriata-Jeharima. Baiboly Katolika Koa novorin’i Davida i Israely rehetra, hatramin’ny Sihora any Ejipta, ka hatrany amin’ny hadilalan’i Emata, haka ny fiaran’Andriamanitra avy any Kariatiarima. Baiboly Protestanta Malagasy Dia novorin’i Davida ny Isiraely rehetra hatrany Sihora any Egypta ka hatrany akaikin’i Hamata haka ny fiaran’Andriamanitra avy any Kiriata-jearima. Malagasy Bible Dia novorin'i Davida ny Isiraely rehetra hatrany Sihora any Egypta ka hatrany akaikin'i Hamata haka ny fiaran'Andriamanitra avy any Kiriata-jearima. La Bible en Malgache Dia novorin’i Davida ny Israely rehetra hatrany Sihora any Ejipta ka hatrany akaikin’i Hamata haka ny vata misy ny faneken’Andriamanitra avy any Kiriata-Jearima. |
Novorin’i Davida indray ireo miaramila voafantina rehetra tamin’i Israely izay misy antokony telopolo.
Tamin’io volana fahafito io koa no niarahan’i Salômôna nankalaza ny fetin’ny Tranotomboka tamin’ny Israelita rehetra izay tafangona marobe, tonga avy amin’ny lafy valo hatreo Lebô-Hamata ka hatrany amin’ny lohasahan-driakan’i Ejipta. Koa nankalaza fety teo anatrehan’ny TOMPO Andriamanitsika izy nandritra ny fito andro indroa: izany hoe 14 andro.
ary nasain’ny mpanjaka hovonoina ho faty tao ihany. Toy izany no nitondrana ny vahoaka Jodeanina ho babo lavitry ny taniny.
Dia niombon-kevitra ny olona rehetra tafangona teo fa hanao araka izany satria teo imason’ny vahoaka rehetra dia mitombina ny fikasana.
Ary niakatra niaraka tamin’ny Israelita rehetra i Davida ho any Bahalà, na hoe Kiriata-Jeharima, izay any Joda, mba hampakatra ilay Vatamasina fa eo amin’io Vatamasina io no iantsoana ny anaran’ny TOMPO Izay mipetraka eo ambonin’ny kerôbima.
Dia novorin’i Davida tao Jerosalema i Israely lafy valo mba hampakatra ny Vatamasin’ny TOMPO ho eo amin’ny toerana izay efa namboarina ho azy.
Izay afafy eny amoron’i Neily dia i Tsidôna no mioty azy; izy no mandray ny tombombarotr’ireo firenena.
Ankehitriny, inona no soa ho anao amin’ny fankanesana any Ejipta? Hisotro ny ranon’i Neily ve? Ary inona no soa ho anao amin’ny fankanesana any Asiria? Hisotro ny ranon’i Eofrata ve?
Dia niainga ny Israelita; ka nony afaka telo andro, dia tonga tany an-tanànan-dry zareo, izany hoe tao Gibehona sy Kefirà ary Beerôta sy Kiriata-Jeharima.
Dia nandefa iraka ho any amin’ny mponin’i Kiriata-Jeharîma izy ireo mba hilaza aminy hoe: –Naverin’ny Filistinina ilay Vatamasin’ny TOMPO, koa tongava ianareo hampiakatra azy ho any aminareo.
Tonga naka ny Vatamasin’ny TOMPO ny mponin’i Kiriata-Jeharîma ka nitondra azy ho ao an-tranon’i Abinadàba teo amin’ny havoana iray. Dia natokan’izy ireo ho mpiambina ny Vatamasin’ny TOMPO i Elihezera zanakalahin’i Abinadàba.
Hatramin’ny nitoeran’ny Vatamasin’ny TOMPO tany Kiriata-Jeharîma, dia andro maro no nifandimby, efa roapolo taona izao. Nalahelo te hiverina amin’ny TOMPO ny Israelita rehetra