hatramin’ny nandosiran’ny mponiny nankany Gitaîma izay mbola onenan’ny taranany mandraka androany.
1Tantara 13:13 - DIEM PROTESTANTA Koa tsy nafindran’i Davida ho any aminy, any an-tanànan’i Davida, ny Vatamasina; fa naviliny kosa izany ho ao an-tranon’i Hôbeda-Edôma, lehilahy avy any Gata. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia tsy nafindran’i Davida ho ao aminy ao an-Tanànan’i Davida ny vata misy ny Fanekena fa naviliny ho ao an-tranon’i Obeda-Edoma gatita. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Koa tsy nafindran’i Davida ho any aminy, any an-tanànan’i Davida, ny Vatamasina; fa naviliny kosa izany ho ao an-tranon’i Hôbeda-Edôma, lehilahy avy any Gata. Baiboly Katolika Ka tsy notarihin’i Davida ho ao aminy, ao an-tanànan’i Davida ny fiara, fa nasainy nentina tany an-tranon’i Obededôma, any Geta. Baiboly Protestanta Malagasy Dia tsy nafindran’i Davida ho ao aminy ao an-Tanànan’i Davida ny fiara, fa naviliny ho ao an-tranon’i Obed-edoma Gatita. Malagasy Bible Dia tsy nafindran'i Davida ho ao aminy ao an-tanànan'i Davida ny fiara, fa naviliny ho ao an-tranon'i Obededoma Gatita. La Bible en Malgache Dia tsy nafindran’i Davida ho ao aminy ao an-Tanànan’i Davida ny vata misy ny Fanekena fa naviliny ho ao an-tranon’i Obeda-Edoma gatita. |
hatramin’ny nandosiran’ny mponiny nankany Gitaîma izay mbola onenan’ny taranany mandraka androany.
Novorin’i Davida indray ireo miaramila voafantina rehetra tamin’i Israely izay misy antokony telopolo.
Natahotra an’Andriamanitra i Davida tamin’izany andro izany ka nanao hoe: –Fomba ahoana no hitondrako ho atỳ amiko ny Vatamasin’Andriamanitra?
Miaraka amin’izy telo lahy, amin’ny laharana faharoa, ireto mpiandry vavahady namany ireto: dia i Zakarià zanakalahin’i..., i Jahaziela sy i Semiramôta, i Jehiela sy i Honỳ, i Eliaba sy i Benaià, i Mahaseià sy i Matitià, i Elifalà sy i Mikneià, i Hôbeda-Edôma sy i Jehiela ary i Hazazià.
Feno fifaliana i Davida sy ny loholon’i Israely mbamin’ny komandin-tafika mifehy arivo no nandeha hampakatra ny Vatamasina mirakitra ny fanekempihavanan’ny TOMPO, avy ao an-tranon’i Hôbeda-Edôma.
I Asafa no filohany, ary i Zakarià no lefitra. I Jahaziela sy i Semiramôta, i Jehiela sy i Matitià, i Eliaba sy i Benaià ary i Hôbeda-Edôma sy i Jehiela no nitendry ny valiha sy ny lokanga; fa i Asafa no nively ny kipantsona.
Ny an’i Hôbeda-Edôma dia nisy valo lahy ny zanany: i Semahià lahimatoa, i Jôzabada lahiaivo, i Jôà fahatelo, i Sakara fahefatra, i Natanaela fahadimy,
Anisan’ny taranak’i Hôbeda-Edôma ireo rehetra ireo. Ny taranaka ombàn-janaka sy havana dia nisy 62 lahy ny an’i Hôbeda-Edôma no mpiandry vavahady: samy olom-banona avokoa sady mahery fo amin’ny fanompoany.