Taitra i Davida satria tena namely mafy an’i Hozà ny TOMPO, koa io toerana io dia nantsoiny hoe «Peretsa-Hozà», ary mbola izany no fiantso azy mandraka androany.
1Tantara 13:10 - DIEM PROTESTANTA Fa nirehi-pahatezerana tamin’i Hozà ny TOMPO ka namono nahafaty azy noho ny naninjirany tanana tamin’ny Vatamasina; dia teo anatrehan’Andriamanitra teo izy no maty. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia nirehitra tamin’i Oza ny fahatezeran’NY TOMPO ka namely azy Izy noho ny nanatsorany ny tanany tamin’ny vata misy ny Fanekena. Dia maty teo anatrehan’Andriamanitra i Oza. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Fa nirehi-pahatezerana tamin’i Hozà ny TOMPO ka namono nahafaty azy noho ny naninjirany tanana tamin’ny Vatamasina; dia teo anatrehan’Andriamanitra teo izy no maty. Baiboly Katolika Fa nirehitra tamin’i Ozà ny fahatezeran’i Iaveh, ka nokapohin’i Iaveh izy, noho izy naninji-tanana tamin’ny fiara, dia maty teo anatrehan’Andriamanitra i Ozà. Baiboly Protestanta Malagasy Dia nirehitra tamin’i Oza ny fahatezeran’i Jehovah, ka namely azy Izy noho ny naninjirany ny tànany tamin’ny fiara, dia maty teo anatrehan’Andriamanitra izy. Malagasy Bible Dia nirehitra tamin'i Oza ny fahatezeran'i Jehovah, ka namely azy Izy noho ny naninjirany ny tànany tamin'ny fiara, dia maty teo anatrehan'Andriamanitra izy. La Bible en Malgache Dia nirehitra tamin’i Oza ny fahatezeran’NY TOMPO ka namely azy Izy noho ny nanatsorany ny tanany tamin’ny vata misy ny Fanekena. Dia maty teo anatrehan’Andriamanitra i Oza. |
Taitra i Davida satria tena namely mafy an’i Hozà ny TOMPO, koa io toerana io dia nantsoiny hoe «Peretsa-Hozà», ary mbola izany no fiantso azy mandraka androany.
Fa tamin’ny nampiakarana azy voalohany, dia tsy teo ianareo; noho izany, dia nasian’ny TOMPO Andriamanitsika mafy izahay satria tsy nanontany Azy araka ny fitsipika.
Ary nolanjain’ny levita teny an-tsorony tamin’ny hazo ny Vatamasina, araka izay didin’i Mosesy mifandraika amin’ny tenin’ny TOMPO.
Ary nisy afo nalefan’ny TOMPO izay nandoro velona ireo lehilahy 250 nanatitra vovo-javamanitra.
Rehefa hifindra toby ny Israelita dia ho vitan’i Aharôna sy ny zanany ny famonosana ny Toeramasina sy ny fanaka rehetra momba ny Toeramasina, dia ho avy amin’izay ny taranak’i Kehàta hitondra azy. Tsy hikasika ny fitaovana masina mivantana izy sao maty. Izany no anjara entan’ny taranak’i Kehàta ny amin’ny Tranolay fihaonana.
Dia niantso ny mpisorona i Josoa zanakalahin’i Nona ka nanao taminy hoe: –Entonareo ilay Vatamasina mirakitra ny fanekempihavanan’ny TOMPO, ary aoka hisy mpisorona fito mitondra trompetra eo alohany.
Namely ny mponin’i Betỳ-Semesy ny TOMPO satria nojeren’ireo ny Vatamasina, ka lehilahy fitopolo sy biby fiompy vaventy dimampolo no maty. Koa dia nisaona avokoa ireo olona sisa mbola velona satria namely azy mafy ny TOMPO.