1Tantara 15:15 - DIEM PROTESTANTA15 Ary nolanjain’ny levita teny an-tsorony tamin’ny hazo ny Vatamasina, araka izay didin’i Mosesy mifandraika amin’ny tenin’ny TOMPO. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 201115 Ary nilanja ny vata misy ny faneken’Andriamanitra tamin’ny bao hazo teny an-tsorony ny levita, fa izany no nandidian’i Mosesy araka ny tenin’NY TOMPO. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara15 Ary nolanjain’ny levita teny an-tsorony tamin’ny hazo ny Vatamasina, araka izay didin’i Mosesy mifandraika amin’ny tenin’ny TOMPO. Jereo ny tokoBaiboly Katolika15 Ary ny taranak’i Levì, dia nilanja ny fiaran’Andriamanitra tamin’ny baony, araka ny nandidian’i Môizy, araka ny tenin’i Iaveh. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy15 Ary ny Levita nilanja ny fiaran’Andriamanitra tamin’ny hazo, tahaka ny nandidian’i Mosesy araka ny tenin’i Jehovah. Jereo ny tokoMalagasy Bible15 Ary ny Levita nilanja ny fiaran'Andriamanitra tamin'ny hazo, tahaka ny nandidian'i Mosesy araka ny tenin'i Jehovah. Jereo ny tokoLa Bible en Malgache15 Ary nilanja ny vata misy ny faneken’Andriamanitra tamin’ny bao hazo teny an-tsorony ny levita, fa izany no nandidian’i Mosesy araka ny tenin’NY TOMPO. Jereo ny toko |
Rehefa hifindra toby ny Israelita dia ho vitan’i Aharôna sy ny zanany ny famonosana ny Toeramasina sy ny fanaka rehetra momba ny Toeramasina, dia ho avy amin’izay ny taranak’i Kehàta hitondra azy. Tsy hikasika ny fitaovana masina mivantana izy sao maty. Izany no anjara entan’ny taranak’i Kehàta ny amin’ny Tranolay fihaonana.