Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




1Tantara 11:6 - DIEM PROTESTANTA

Dia hoy i Davida: «Izay hamely voalohany ny Jebosita dia hatao filohan’ny tafika». Ary i Jôaba, zanakalahin’i Tseroià, no nanafika voalohany; koa izy no nanjary filohan’ny tafika.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Dia hoy i Davida: Na iza na iza no hamely voalohany ny Jebosita, dia izy no ho lohany sy ho mpitari-tafika. Ary i Joaba, zanak’i Zeroia, no niakatra voalohany, dia izy no tonga lohany.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Dia hoy i Davida: «Izay hamely voalohany ny Jebosita dia hatao filohan’ny tafika». Ary i Jôaba, zanakalahin’i Tseroià, no nanafika voalohany; koa izy no nanjary filohan’ny tafika.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Ary hoy i Davida: «Na iza na iza handresy voalohany ny Jeboseanina dia izy no ho lehibe sy filohany.» Ary i Jôaba zanak’i Sarvià no niakatra voalohany, ka izy no tonga lehibe.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary hoy Davida: Na iza na iza no hamely voalohany ny Jebosita, dia izy no ho lohany sy ho komandy. Ary Joaba, zanak’i Zeroia, no niakatra voalohany, ka dia izy no lohany.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary hoy Davida: Na iza na iza no hamely voalohany ny Jebosita, dia izy no ho lohany sy ho komandy. Ary Joaba, zanak'i Zeroia, no niakatra voalohany, ka dia izy no lohany.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Dia hoy i Davida: Na iza na iza no hamely voalohany ny Jebosita, dia izy no ho lohany sy ho mpitari-tafika. Ary i Joaba, zanak’i Zeroia, no niakatra voalohany, dia izy no tonga lohany.

Jereo ny toko



1Tantara 11:6
13 Rohy Ifampitohizana  

Dia niainga koa i Jôaba zanakalahin’i Tseroià sy ny mpanompon’i Davida; ka tafahoana teo akaikin’ny dobo tao Gibehôna ny roa tonta ary samy naka toerana nifanatrika teo amoron’ny dobo.


Nanatrika teo koa ny zanak’i Tseroià telo lahy dia i Jôaba sy i Abisay ary i Asahela; ity Asahela ity dia faingaim-pandeha toy ny gazela any an-taniefitra,


I Jôaba no filohan’ny tafika manontolo tamin’i Israely; i Benaià zanakalahin’i Joiadà no lehiben’ny Keretita sy Peletita mpiambina an’i Davida;


Rehefa tafaverina tao Hebrôna i Abinera, dia notaomin’i Jôaba hankeny am-bavahady toy ny hiresaka mangina aminy izy, kanjo notrobarany teo amin’ny kibony izy ka maty ho valin’ny nahafatesan’i Asahela rahalahiny.


I Jôaba, zanakalahin’i Tserôià, no lehiben’ny tafika; i Jôsafata, zanakalahin’i Ahitoda, no mpitondratenin’ny mpanjaka;


Dia niresaka tamin’i Jôaba zanakalahin’i Tseroià sy tamin’i Abiatara mpisorona i Adônià, ka nahazo ny fanohanan’ireo.


Dia hoy ireo mponina tao Jebosa tamin’i Davida: –Tsy ho tafiditra ato an-tanànanay ianao! Kanjo azon’i Davida ihany ny tanànamimanda, dia i Tsiôna izay hatao hoe «Tanànan’i Davida».


Ary nipetraka tao amin’ilay tanànamimanda i Davida, koa izany no niantsoana azy hoe «Tanànan’i Davida».


I Jôaba zanakalahin’i Tseroià, no lehiben’ny tafika; i Jôsafata zanakalahin’i Ahiloda, no mpitondra tenin’ny mpanjaka,


Ny nandimby an’i Ahitôfela dia ry Jôiadà zanakalahin’i Benaià sy ry Abiatara. Ary ny komandin’ny tafiky ny mpanjaka dia i Jôaba.


Ahy i Gilehada, Ahy koa i Manase; i Efraîma no toy ny fiaro lohako; i Joda no toy ny tehim-piandrianako.


fa hoy izy samy izy hoe: «Hitanareo ve io lehilahy miakatra io. Hihaika antsika Israelita no anton’ny niakarany. Koa izay maharesy azy io dia hataon’ny mpanjaka tretrika tokoa amin’ny hareny, sady homeny ho vadiny ny zanany vavy ary ny fianakaviany hahazo tombontsoa manokana eo amin’i Israely.»