1Tantara 11:4 - DIEM PROTESTANTA Ary nandeha i Davida sy ny Israelita rehetra hanao fahirano an’i Jerosalema, izay natao hoe Jebosa satria ny Jebosita, mponina tao amin’io faritany io, no nitoetra tao. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Nankany Jerosalema na Jebosa i Davida sy ny Israely rehetra; ary tao ny Jebosita tompon-tany. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ary nandeha i Davida sy ny Israelita rehetra hanao fahirano an’i Jerosalema, izay natao hoe Jebosa satria ny Jebosita, mponina tao amin’io faritany io, no nitoetra tao. Baiboly Katolika Dia nandeha i Davida mbamin’i Israely rehetra hamely an’i Jerosalema, izany hoe i Jebosa; tao ny Jeboseanina mponina tamin’ny tany. Baiboly Protestanta Malagasy Ary Davida sy ny Isiraely rehetra nankany Jerosalema (Jebosa izany); ary tao ny Jebosita tompon-tany. Malagasy Bible Ary Davida sy ny Isiraely rehetra nankany Jerosalema (Jebosa izany); ary tao ny Jebosita tompon-tany. La Bible en Malgache Nankany Jerosalema na Jebosa i Davida sy ny Israely rehetra; ary tao ny Jebosita tompon-tany. |
Dia hoy ireo mponina tao Jebosa tamin’i Davida: –Tsy ho tafiditra ato an-tanànanay ianao! Kanjo azon’i Davida ihany ny tanànamimanda, dia i Tsiôna izay hatao hoe «Tanànan’i Davida».
koa tapa-kevitra Izy fa hanaisotra anareo hiala amin’ny fahoriana atỳ ho any amin’ny tanin’ny Kanahanita sy ny Hetita, ny Amôrita sy ny Perizita, ary ny Hivita sy ny Jebosita, dia tany tondra-dronono sy tantely.»
Ireo Jebosita izay mponina tao Jerosalema kosa dia tsy voaroakan’ny taranak’i Joda, ka mbola miara-monina aminy ao Jerosalema mandraka androany.
dia miakatra ny lohasahan’i Hinôma, amin’ny ilany atsimo manamorona ilay havoana misy ny Jebosita (dia i Jerosalema izany); dia mitohy miakatra ho any an-tampon’ilay tendrombohitra izay eo andrefan’ny lohasahan’i Hinôma sy eo amin’ny farany avaratry ny lohasahan’ny Refaîta;
i Tselà, i Elefa, ny tanànan’ny Jebosita (izany hoe i Jerosalema), i Gibehata, ary i Kiriata; izany hoe tanàn-dehibe 14 samy miampy ireo tanàna kely miankina aminy. Izany no zaratany nolovan’ny Benjaminita ho an’ireo tarika ao anatiny.
Fa ny Jebosita izay nonina tao Jerosalema kosa dia tsy voaroakan’ny taranak’i Benjamîna, ka mbola miara-nonina amin’ny taranak’i Benjamîna ao Jerosalema mandraka androany.