Zefania 3:9 - Baiboly Katolika Fa amin’izany ny firenena homeko molotra madio hiantsoan’izy rehetra ny Anaran’i Iaveh sy hanompoany Azy amim-piraisan-kina. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Fa amin’izany dia hovako ho madio ny molotry ny firenena mba hiantsoan’izy rehetra ny anaran’NY TOMPO sy hanompoany Azy amin’ny firaisan-kina. DIEM PROTESTANTA «Amin’izany, dia hovako ny firenena isan-tokony ka hodioviko ny molony; dia hivavaka amiko TOMPO izy rehetra ary hiray hina hanompo Ahy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara «Amin’izany, dia hovako ny firenena isan-tokony ka hodioviko ny molony; dia hivavaka amiko TOMPO izy rehetra ary hiray hina hanompo Ahy. Baiboly Protestanta Malagasy FA amin’izany dia hovako ho madio ny molotry ny firenena, Hiantsoan’izy rehetra ny anaran’i Jehovah, hanompoany Azy amin’ny firaisan-kina. Malagasy Bible Fa amin'izany dia hovako ho madio ny molotry ny firenena, Hiantsoan'izy rehetra ny anaran'i Jehovah, hanompoany Azy amin'ny firaisan-kina. La Bible en Malgache Fa amin’izany dia hovako ho madio ny molotry ny firenena mba hiantsoan’izy rehetra ny anaran’NY TOMPO sy hanompoany Azy amin’ny firaisan-kina. |
I Seta koa niteraka lahy iray nataony hoe i Enôsy. Vao tamin’izay no nanomboka niantso ny Anaran’i Iaveh ny olona.
Hoderaina anie ny Anaran’i Iaveh, hatreo amin’ny fiposahan’ny masoandro ka hatreo amin’ny filentehany.
Hihinana ny tra-pahoriana ka ho voky; hidera an’i Iaveh izay mitady Azy. Ho velona indray mandrakizay anie ny fonareo!
Amin’izany andro izany hisy tanàna dimy, any amin’ny tany Ejipta, izay hiteny amin’ny fiteny Kanaàna sy hianiana hanompo an’i Iavehn’ny tafika; ny iray amin’ireo atao hoe Tanàna-Masoandro.
Izay manisy fiderana eo am-bava dia milaza manao hoe: «Fiadanana, fiadanana, ho an’ny lavitra sy ny akaiky, hoy i Iaveh, ary hanasitrana azy Aho!...»
Nakasiny tamin’ny vavako izany, dia hoy izy: «Jereo, efa voakasik’ity ny molotrao; ka voaesotra ny helokao, ary voaonitra ny fahotanao.»
Ry Iaveh, heriko ama-mandako, sy fialofako amin’ny andron’ny fahoriana, ho tonga aminao ny firenena maro, avy amin’ny faran’ny tany, ka hanao hoe: Ny razanay tsy nahazo lova afa-tsy ny lainga, sy zava-poana tsy azo atao na inona na inona!
Fa ny tany ho feno ny fahalalana ny voninahitr’i Iaveh, toy ny fandrakotry ny rano ny fanambanin’ny ranomasina.
Ho fampatahorana mafy ho azy i Iaveh, fa hofoanany ireo andriamanitra rehetra ambonin’ny tany; ary hiankohoka eo anatrehany samy any amin’izay misy azy avy, ny mponina amin’ny nosim-pirenena rehetra.
Ary i Iaveh ho tonga mpanjaka amin’ny tany rehetra; ary amin’izany andro izany, dia ho tokana ihany i Iaveh, ary ny Anarany ho tokana ihany.
Avia, ry Siôna, vonjeo ny tenanao, ianao izay monina ao amin’ny zanaka vavin’i Babilôna!
Ny olona tsara fanahy mamoaka zava-tsoa avy amin’ny rakitra soa ao am-pony; ary ny olona ratsy fanahy mamoaka zava-dratsy avy amin’ny rakitra ratsy ao am-pony.
Aoka tsy haloaky ny vavanareo ny teny ratsy, fa ny teny soa mampandroso amin’ny tsara, araka izay ilaina, mba hahazoan’izay mihaino fahasoavana.
Dia nitsoka ny trômpetra ny Anjely fahafito, ka nisy feo mahery avy any an-danitra nanao hoe: «Lasan’ny Tompontsika sy ilay Kristiny ny fanjakan’izao tontolo izao, ka hanjaka mandrakizay mandrakizay Izy.»