Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Genesisy 11:1 - Baiboly Katolika

1 Iray fiteny sy iray fanonona ny tany rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

1 Ny tany manontolo dia nampiasa fiteny tokana sy voambolana mitovy.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

1 Fiteny iray ihany ary voambolana mitovy no nampiasaina tamin’ny tany tontolo.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

1 Fiteny iray ihany ary voambolana mitovy no nampiasaina tamin’ny tany tontolo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

1 ARY ny tany rehetra dia iray fanononana sy iray fiteny.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

1 Ary ny tany rehetra dia iray fanononana sy iray fiteny.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

1 Ny tany manontolo dia nampiasa fiteny tokana sy voambolana mitovy.

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 11:1
6 Rohy Ifampitohizana  

Ireo no fianakavian’ny zanak’i Nôe, araka ny taranany, any amin’ny fireneny avy. Avy amin’ireo ny firenena niely teto ambonin’ny tany, taorian’ny safodrano.


Nony nandeha niantsinanana ny olona dia nahita tany lemaka tao amin’ny tany Senaara izy, ka niorim-ponenana teo.


Dia hoy i Iaveh: «Indro firenena iray izy ireo ary fiteny iray no iraisan’izy rehetra, ary ity asa ity no iandohan’izay tiany hatao; amin’izao dia tsy hisy na inona na inona hisakana azy tsy hanatanteraka izay kasainy hatao.


Amin’izany andro izany hisy tanàna dimy, any amin’ny tany Ejipta, izay hiteny amin’ny fiteny Kanaàna sy hianiana hanompo an’i Iavehn’ny tafika; ny iray amin’ireo atao hoe Tanàna-Masoandro.


Fa amin’izany ny firenena homeko molotra madio hiantsoan’izy rehetra ny Anaran’i Iaveh sy hanompoany Azy amim-piraisan-kina.


Nony nahare izany izy ireo, dia nidodododo maro be ka very hevitra izay tsy izy, fa samy nandre azy ireo niteny ny fiteniny avy izy rehetra.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra